Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Aller au contenu
Wikipedia
Tadiavo

Zimry

Avy amin'i Wikipedia

IZimry dia iray amin' ireo mpitari-tafiky ny mpanjaka israelita atao hoeEla izay zanaky ny mpanjakaBaasa. Nanararaotra ny hamamoan' i Ela izy ka namono azy tao Tirza (na Tirtsa) izay nonenan' ny mpanjaka Ela. Novonoin' i Zimry koa ny lehilahy rehetra tamin' ny fianakavian' i Baasa. Araka nyBaiboly dia fitaovana nanehoan' iIahveh ny hatezerany amin' ny fahotan' ny fianakavian' i Baasa i Zimry. Araka nyBoky voalohan' ny Mpanjaka (1Mpanj. 16.10-15) dia tsy nanjaka afa-tsy fito andro i Zimry satria namono tena tamin' ny alalan' ny fandoroany ny efitra misy azy ao amin' ny lapan' ny mpanjaka ka maty tao noho ny fatahorany ny fikomian' ny vahoaka izay nanao fahirano azy.

Tsy nanan-janaka handova azy eo amin' ny fanjakana izy ka iÔmry mpitari-tafiny no nandimby azy rehefa avy nampamono an' i Tibny zanak' i Ginata izay niady ny seza fiandriana taminy.

Ny anarany

[hanova |hanova ny fango]

Atao hoe זִמְרִי /Zimrī izy amin'nyteny hebreo faZambri amin'nyteny latina.

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]

Mpanjakan' i Israely

Saoly -Isbôseta -Davida -Sôlômôna (na Salômôna) -Jerôbôama I -Nadaba -Baasa (na Basa) -Ela -Zimry -Ômry -Ahaba (na Akaba) -Ahazia (na Ôkôziasa) -Jôrama -Jeho -Jôahaza (na Jôakaza) -Jôasy (na Jôasa) -Jerôbôama II -Zakaria -Saloma -Menahema -Pekahia (na Faseia) -Peka (na Fasea) -Hôsea (na Ôsea).

Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Zimry&oldid=1042116"

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp