IZedekia naSedekiasa dia mpanjakan' i Jodà nanapaka teo anelanelan' ny taona 597 sy 587 tal J.K. Izy no mpanjaka farany tao amin' nyFanjakan' i Jodà. Niara-belona taminy ny mpaminanyJeremia syZakaria. Tamin' ny androny no nandravàna an' i Jerosalema sy nyTempoly ary nanaovanasesitany ny mponina tao Jodà. Zanaky ny mpanjakaJôsia (na Jôsiasa) tamin' i Hamôtala (zanaka vavin' i Jeremia avy any Libna) i Zedekia sady zandrin' i Eliakima (ny mpanjakaJôiakima na Jôakima) syJôahaza (2Mpaj. 23.31; Jer. 24.17-18). Resahina ao amin' nyBoky faharoan' ny Mpanjaka sy nyBokin' i Jeremia ny tantaran' ny fanjakan' i Zedekia.
I Matania (hebreo:Mattanyahu; grika:Mathanias)[1] no anarany talohan'ny naha mpanjaka azy. Ao amin'nyTanakh (Baiboly jiosy amin'nyteny hebreo) dia atao hoe צִדְקִיָּהוּ /Şidhqiyyâhû (raha tsorina:Tsidkiyâhû) izy. Ao amin'nySeptoajinta (Baiboly jiosy amin'nyteny grika) kosa izy dia atao hoeζεδεκιας /Zedekias fa ao amin'nyVolgata (Baiboly amin'nyteny latina) izy dia atao hoeSedecias.
Novonoina teo imason' i Zedekia ireo zanany, nataon' i Gustave Doré, taona 1866.
Natoky ny fanampian' i Egipta i Zedekia ka nikomy tamin' ny mpanjakan' iBabilôna (iNebokadnetsara). Nitondra tafika ka nanao fahirano an' i Jerosalema ny Babilôniana nandritra ny roa taona ka naharodana ny tanàna tamin' ny taona 587 tal .J.K. Voasambotra i Zedekia (2Mpaj. 25.6, Jer. 52.9) ary novonoina teo imasony ireo zanany lahy (2Mpaj. 25.7; Jer. 52.10) alohan' ny nanapotsirana ny masony (2Mpaj. 25.7; Jer. 52.11).
Tsy novonoina ireo zanany vavy fa nampitondraina ilay governora jodaita notendren' i Nebokadnetsara atao hoe Gedalia (Jer. 41.10) nefa novonoin' i Ismaela izay isan' ny fianakavian' ny mpanjaka i Gedalia (2Mpaj. 25.25; Jer. 41.1) tao Mizpa (na Mitspa) (2Mpaj. 25.25; Jer. 41.2) sady nosamboriny ireo zanaka vavin' i Zedekia ka nentiny tany amin' ny tanin' nyAmôna (Jer. 41.10). Nanenjika an' i Ismaela i Jôhanana ka nahatratra azy tao Gibeôna (Jer. 41.12) sady nanafaka ny zanaka vavin' i Zedekia, dia nitondra azy ireo tao amin' ny toeram-piafenana tao akaikin' iBetela (Jer. 41.17) avy eo nitondra azy ireo ho any amin' ireoJiosy monina any Egipta (Jer. 43.7).
Nodorana nyTempolin' i Jerosalema sy ny lapan' ny mpanjaka ary nobaboina ny fananana tao aminy sady narodana ny mandan' ny tanàna[1]. Nataosesitany tany Babilôna i Zedekia niaraka amin' ny mponin' i Jerosalema izay tsy afa-nandositra. Maty am-ponja tany Babilôna i Zedekia (Jer. 52,11).