Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Aller au contenu
Wikipedia
Tadiavo

Zedekia

Avy amin'i Wikipedia

IZedekia naSedekiasa dia mpanjakan' i Jodà nanapaka teo anelanelan' ny taona 597 sy 587 tal J.K. Izy no mpanjaka farany tao amin' nyFanjakan' i Jodà. Niara-belona taminy ny mpaminanyJeremia syZakaria. Tamin' ny androny no nandravàna an' i Jerosalema sy nyTempoly ary nanaovanasesitany ny mponina tao Jodà. Zanaky ny mpanjakaJôsia (na Jôsiasa) tamin' i Hamôtala (zanaka vavin' i Jeremia avy any Libna) i Zedekia sady zandrin' i Eliakima (ny mpanjakaJôiakima na Jôakima) syJôahaza (2Mpaj. 23.31; Jer. 24.17-18). Resahina ao amin' nyBoky faharoan' ny Mpanjaka sy nyBokin' i Jeremia ny tantaran' ny fanjakan' i Zedekia.

Ny anarany

[hanova |hanova ny fango]

I Matania (hebreo:Mattanyahu; grika:Mathanias)[1] no anarany talohan'ny naha mpanjaka azy. Ao amin'nyTanakh (Baiboly jiosy amin'nyteny hebreo) dia atao hoe צִדְקִיָּהוּ /Şidhqiyyâhû (raha tsorina:Tsidkiyâhû) izy. Ao amin'nySeptoajinta (Baiboly jiosy amin'nyteny grika) kosa izy dia atao hoeζεδεκιας /Zedekias fa ao amin'nyVolgata (Baiboly amin'nyteny latina) izy dia atao hoeSedecias.

Ny loza nahazo an' i Zedekia

[hanova |hanova ny fango]
Novonoina teo imason' i Zedekia ireo zanany, nataon' i Gustave Doré, taona 1866.

Natoky ny fanampian' i Egipta i Zedekia ka nikomy tamin' ny mpanjakan' iBabilôna (iNebokadnetsara). Nitondra tafika ka nanao fahirano an' i Jerosalema ny Babilôniana nandritra ny roa taona ka naharodana ny tanàna tamin' ny taona 587 tal .J.K. Voasambotra i Zedekia (2Mpaj. 25.6, Jer. 52.9) ary novonoina teo imasony ireo zanany lahy (2Mpaj. 25.7; Jer. 52.10) alohan' ny nanapotsirana ny masony (2Mpaj. 25.7; Jer. 52.11).

Tsy novonoina ireo zanany vavy fa nampitondraina ilay governora jodaita notendren' i Nebokadnetsara atao hoe Gedalia (Jer. 41.10) nefa novonoin' i Ismaela izay isan' ny fianakavian' ny mpanjaka i Gedalia (2Mpaj. 25.25; Jer. 41.1) tao Mizpa (na Mitspa) (2Mpaj. 25.25; Jer. 41.2) sady nosamboriny ireo zanaka vavin' i Zedekia ka nentiny tany amin' ny tanin' nyAmôna (Jer. 41.10). Nanenjika an' i Ismaela i Jôhanana ka nahatratra azy tao Gibeôna (Jer. 41.12) sady nanafaka ny zanaka vavin' i Zedekia, dia nitondra azy ireo tao amin' ny toeram-piafenana tao akaikin' iBetela (Jer. 41.17) avy eo nitondra azy ireo ho any amin' ireoJiosy monina any Egipta (Jer. 43.7).

Nodorana nyTempolin' i Jerosalema sy ny lapan' ny mpanjaka ary nobaboina ny fananana tao aminy sady narodana ny mandan' ny tanàna[1]. Nataosesitany tany Babilôna i Zedekia niaraka amin' ny mponin' i Jerosalema izay tsy afa-nandositra. Maty am-ponja tany Babilôna i Zedekia (Jer. 52,11).

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]

Mpanjakan' i Jodà

Saoly -Isbôseta -Davida -Sôlômôna (na Salômôna) -Rehôbôama (na Rôbôama) -Abiama (na Abia)- Asa -Jôsafata -Jehôrama (na Jôrama) -Ahazia (na Ôkôziasa) -Atalia -Jôasy (na Jôasa) -Amazia (na Amaziasa) -Ozia (na Oziasa naAzaria na Azariasa) -Jôtama -Ahaza (na Akaza) -Hezekia (na Ezekiasa) -Manase -Amôna -Jôsia (na Jôsiasa) -Jôahaza (na Jôakaza) -Jôiakima (na Jôakima) -Jôiakina (na Jôasina naJekônia na Jekôniasa) -Zedekia (na Sedekiasa).

Loharano sy fanamarihana

[hanova |hanova ny fango]
  1. 1,0 et1,1Histoire visuelle de la Bible, National Geographic, Les Nouveaux Essentiels, octobre 2013, 512p.(ISBN 9782822900331)
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Zedekia&oldid=1042048"

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp