Mitranga amin'izao fotoana izao :Hetsi-panoheran'ny 2025 eto Madagasikara[ovaina]
Lozam-pifamoivozana teny amin’nyDigue sy tanyMahitsyAntananarivo : 12 nomaty, 37 naratra mafy
Nanoloana izany, dia nitsidika tao amin’nyhopitaly HJRA (Hopital Joseph Ravoahangy Andrianavalona) an'ireo niharam-boina ny filoha Malagasy Hery Rajaonarimampianina ny alin'io ihany: nankahery ireo naratra sy naneho ny fiaraha-miory tamin’ireo fianakaviana namoy havana.
Baiko hentitra no nomen'ny filoha ny tompon’andraikitra rehetra mba hanamafy ny fampiharana ny lalàna sy ny fitsipiky ny fifamoivozana, hampihatra tsy misy indrafo ny famaizana amin’izay mihoa-pefy sy tsy manara-dalàna, ary hanaramaso akaiky ny fanomezana alàlana hamily fiara, indrindra eo amin’ny sehatry ny fitateram-bahoaka.
Niantso ireo mpitatitra ihany koa izy mba ho matihanina nympamily ampiasaina satria ain’olona no lalaovin’ireo manao kitoatoa amin’ny asany. Asiana sampan’nyBIANCO koa, hoy ny filoha, eny amin’ireo toby fitsirihana ara-teknika mba tsy ho nohon’nykolikoly no ahazoana alàlana, kanefa hitera-doza satria tsy tomombana ny fiara.[1]
Nampahafantarin'ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika io takariva io teny amin'nylapan'Iavoloha, ny Didim-panjakana laharana faha-2016-250, izay nanendren’ny Filoham-pirenena an AtoaMAHAFALY Solonandrasana Olivier hoPraiministra sady Lehiben’nyGovernemanta.Mandra-pitsangan’ny Governemanta vaovao dia iantohan’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta amperinasa ny fampandehanan-draharaha andavanandro.
Androany maraina no nandray ny andraikiny teny amin’nylapan’I Mahazoarivo ny Praiministra vaovao Mahafaly Olivier.Nambarany fa hitsangana haingana ny governemanta izay hotarihiny, ekipa hiray hina sy hiombom-bina amin’ny ady amin’ny fahantrana sy ny ho fihatsaram-pianina amin’ny lafiny rehetra ho an’ny mpiray taninfrazana. Ho takiana amin’ireoministra ny vokatra misy fiantraikany mivantana amin’ny vahoaka, hoy izy.
Ampitapitao : takariva iray atokana ho an'ny rehetra liana hianatra Wikipédia : fanaovana lahatsoratra, fanokafan-pejy vaovao :Wikipédia Mois_de_la_contribution/Mahajanga--Zanatan (resaka)14 Febroary 2016 à 12:10 (UTC)[hamaly]
Hi, Malagasy Wikibooks isgoingproposed to be closed. For more information go toMeta Wiki. --Doostdar (resaka)20 Febroary 2018 à 13:24 (UTC)[hamaly]