Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Wikipedia:Fototra dimy

Avy amin'i Wikipedia

Ny wikipedia dia mandry sy miankina amin'nyfototra dimy.

Ny Wikipedia dia raki-pahalalàna

[hanova ny fango]
  • Ny wikipedia dia raki-pahalalàna, azo atao alimanaka, raki-pahalalàna mikasika taranja manokana. Tsy amban'ny lisansa ny copyright© ny lahatsoratra voatahiry ato.
  • Tsy maintsy manaraka ny fitsipika momba ny lahatsoratra ny lahatsoratra hosoratana ato, tsy manana ny toerany ato nyasa noforonina.
  • Ny wikipedia dia tsy diksionera na toerana fanaovana propagandy na dokam-barotra na politika na gazety, sns. Jereo ny pejyNy tsy tokony ho wikipedia ho an'ny antsipirihany.

Hajao nyfijerena tsy mitongilana

[hanova ny fango]
  • NyFijerena tsy mitongilana dia ny fijerena manaraka ny fahamarinan'ny hevitra. Ny fahamarinana dia tsy miankina amin'ny finoana na fahalalan'ny tsirairay fa ny lalàna voajanahary na lalàna iraisana tsy hazo hiadian-kevitra.


Torolalàna momba nyzom-pamorona

[hanova ny fango]
  • Ny pejy rehetra eto amin'ny wikipedia dia amban'nylisansa CC-By-SA 3.0 . Ny fanovana ny pejy dia malalaka ho an'ny rehetra. Izay pejy tsy mifanaraka amin'ny CC-By-SA dia tokony tsy aseho eto amin'ny wikipedia.
  • Io lisansa io dia afahana mamorona, mandika, manova ary mizara ny votoatin'i Wikipedia. Ny fepetra mila hajaina dia ny mitazona io lisansa io rehefa mandika, manova sy mizara. Mety ho zarazarain'iza na iza ny lahatsoratra napetraka tato amin'ny Wikipedia, ary mety ampandoavana vola mihitsy aza.
  • Ny lahatsoratra mitovy lisansa amin'ny wikipedia ihany koa dia azo adika ato, fa tandremo kosa, rarana ato amin'i Wikipedia ny lahatsoratra avy amina tranonkala hafa misy marika copyright (©).
  • Noho izy ireo mety hampiteraka olana ho an'ny fikambanana, dia ho voafafa avy hatrany izay tahirin-kevitra tsy manaraka izay fitsipika momba ny zom-pamorona.

Fahalalam-pomba

[hanova ny fango]
  • Ny mpikambana sy ny mpanova pejy dia tokony hifanaja. Ny hevitra no hiadiana raha tsy mety fa tsy ny mpikambana na ny mpanova. Aza mora entim-po.

Torolalana azo tsy raharahina

[hanova ny fango]
  • Tsy manana fitsipika hafa ny Wikipedia afa-tsy ireo fitsipika nosoratana ireo.
  • Aza matahotra manoratra manova sy mamafa pejy ianao. Ovay amin'ny tanjon'ny fanatsaràna ny lahatsoratra hitanao tsy feno. Tsy maninona raha tsy tonga lafatra avy hatrany ny lahatsoratra eto. Rehefa manaraka ny fitsipika sy ny fepetra izy ireo dia azo avoaka eto foana.
  • Mahasahia manoratra. Aza miandry hahafantatra ny antsipirihan'ny fitsipika vao manomboka: raha misy diso ny ataonao eto, ho voahitsin'ny mpandray anjara hafa izy ireo. Tsy hanakorontana ny fikambanan'i Wikipedia izany.
Fototra dimy
Fijerena tsy mitongilana
Ny tsy tokony ho wikipedia
GNU FDL/CC-BY-SA 3.0
Fahalalam-pomba
Torolalana azo tsy raharahina
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Wikipedia:Fototra_dimy&oldid=1087554"
Sokajy :

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp