Tsy misy soratra ao amin' nyBaiboly izay mandidy ny fankalazana ny Noely. Noho izany dia ao ireo fiangonana mankalaza ary ao koa ireo tsy mankalaza izany. Ankehitriny dia maro ny olona mankalaza ny Noely na Krismasy tsy mampifandray izany amin' ny resaka fivavahana.
Tamin' ny taonjato faha-4 no nanombohana nankalaza ny Noely izay niely tsikelikely eran' iEorôpa sy manerana ny tany lemaka manodidina nyRanomasina Mediteranea. Izany fety fankalazana nyfahaterahan' i Jesoa izany dia nihanisolo ireo fety manam-pifandaisana amin' ny andro manodidina ny 21 na 22 Desambra toy ny fety jermanika atao hoeYule, ny fetin' iMitra (jereo koaMitraisma), nySatornaly rômana, sns. Naseho ho toy ny masoandron' ny fahamarinana ao amin' ny andro vaovao i Jesoa Kristy, ka ny fahaterahany dia manokatra nytaona litorjika amin' ny fotoana anaovana nylamesa misasaka alina.
Ny fitantarana ny nahaterahan' i Jesoa araka nyEvanjely no fiaingan' ny famoronana zavakanto nandritra ny taonjato maro (ao ny hosodoko, ny sokitra, ny mozika, ny asa soratra) izay nohamafisin' ny fielezan' ny fampiasana ny tranon' omby sy ny fandrian-jazakely, nefa ireo fombafomba sy zavatra manam-pifandraisana amin' ny fety tsy kristiana tany aloha dia tafiditra ao koa. Nyhazokesika nampiasain' ny vahoaka jermanika sy ny vahoaka any amin' nyfaritra avaratr' i Eorôpa, izay mariky nyzavaboary velona misedra nyririnina dia nomena haja nanomboka tamin' ny taonjato faha-16 sady tafiditra tany am-piangonana. Ankehitriny nyhazo Noely dia lasa evan' ny fotoana ankalazana ny faran-taona, ka niaraka tamin' ny fialan' ny fivavahana kristiana avy ao Eorôpa amin' izao andro izao.
Ilay fanao ahitana an' iDadabe Noely, izay niely eran' izao tontolo izao tamin' ny taonjato faha-20, dia nameno izany fivoarana izany ka nanampy singa ivelam-pivavahana amin' ity fety kristiana ity, izay mitodika kokoa any amin' ny ankizy sy ny fianakaviana ary ny fanomezana.
Iray amin' ireo fetim-pahaterahana ankalazain' ny Fiangonana katôlika ny Noely, ny roa hafa dia ny fahaterahan' iJoany Batista (24 Jona) sy nyfahaterahan' iMasina Maria (8 Septambra).
NyMahafaly diavondrom-poko ao amin' ny faritra atsimo-andrefana amin' iMadagasikara, eo anelanelan' ny onyMenarandra ao atsimo syOnilahy ao avaratra no fonenany nentim-paharazana, eo amin' nylembalemba besokay syfasika izay mitondra io anaranaMahafaly io ihany. Malaza amin' ny fahaizana manaosary sokitra ny Mahafaly ka isan' izany ny fanamboaranaaloalo izay entiny manaingo ny fasana sy manaja nyrazana sy ny mpanjaka maty. IBetioky sy iEjeda ary iAmpanihy no tanàna ngezangeza ao aminy. Anisan' nyfady amin' ny Mahafaly, toy nyAntandroy koa, ny mihinanasokatra (mahafaly:sokake). Tamin' ny taona 2013 dia tombanana ho 150000 ny isan' ny Mahafaly[1]. Mpiompyomby syosy syondry aryakoho amam-borona (anisan' izany nyvorontsiloza) ny Mahafaly. Mambolymangahazo syvoamaina koa ny mponina amin' ny faritra mahafaly.
Heverina ho avy ao amin' ny faritra atsimo-atsinanan' iAfrika ny sasany amin' ny razamben' ny Mahafaly voalohany izay tonga teto amin ' ny Nosy tamin' ny taonjato faha-12. Nanjary malaza izy ireo noho ny fasana lehibe aoriny ho fanomezam-boninahitra ny lehibe sy ny mpanjaka maty.
Ny anarana hoeMahafaly dia nampiasain' ny Malagasy hafa sy ny vahiny hilazana ireo olona nipetraka amin' ny morontsiraka atsimo-andrefan' i Madagasikara, voafaritry ny onyMenarandra syOnilahy[2]. Ny Mahafaly tenany anefa tsy mampiasa an' io teny io ary tsy milaza azy ireo ho foko tokana, fa aleony manonona ny tenany araka ny firazanana hafa na ara-jeôpôlitika; ny anarana hoeMahafaly dia tsy misy heviny ho an' ny olona avy amin' io faritra io fa mari-pamantarana napetraky ny avy any ivelany[3]. Ny ankamaroan' ny Mahafaly dia monina amin' ny moron' ny renirano sy ony mamakivaky faritra tena maina[4].
Raha te-hamorona pejy mikasika ny efemerida eto ianao, dia jereo any amin'ny wikipedia hafa (frantsay na anglisy ohatra) any raha efa misy ny pejy momban'ny efemerida, jereo ary dikao amin'ny teny malagasy raha afaka, ny votoatiny.
↑Eggert, Karl (1981). "Who are the Mahafaly? Cultural and social misidentification in southwestern Madagascar".Omaly sy anio: Hier et aujourd'hui (PDF). Vol. 13–14. Antananarivo: Université de Madagascar, Département d'histoire, p. 149.
↑Eggert, Karl (1981). "Who are the Mahafaly? Cultural and social misidentification in southwestern Madagascar".Omaly sy anio: Hier et aujourd'hui (PDF). Vol. 13–14. Antananarivo: Université de Madagascar, Département d'histoire, pp. 150–51.