Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Wikipedia

Avy amin'i Wikipedia
Wikipedia
Detail of Wikipedia's multilingual portal. Here, the project's largest fiteny editions are shown.
URLhttp://www.wikipedia.org/
Dokam-barotra ve?No.
Mahatompony{{{mahatompony}}}
Karazana tranokalaOnline encyclopedia
Fisoratana{{{soratana}}}
TomponyWikimedia Foundation
Noforonon'nyJimmy Wales syLarry Sanger

NyWikipedia (avy amin'ny tenyhaoaianina:wiki) dia tranonkala iraisam-pirenenaWeb azo ampiasaina maimaimpoana.Wiki izany no foibe mitahiry ny pejy rehetra, ary nysehatra (website) ny Wikipedia no toerana fijerena sy fanovana ny pejy rehetra. Ny teny hoeWikipedia dia fitambaran'ny teny roawiki sypedia (fanafohezana ny hoeencyclopedia). Afaka mandray anjara avokoa ao amin'ny Wikipedia ny olona te-hanampy nefa tsy terena na karamaina.

Tantara

[hanova |hanova ny fango]

Tamin'ny fiantombohany ny Wikipedia dia tetikasa famenon'nyNupedia, raki-pahalalana iray maimaim-poana hita tamin'ny tranonkala izay manam-pahaizana manokana (avara-pianarana sy manana traikefa) no nanoratra ny votoatiny, ary misy fitsipika maro arahin'ny mpanoratra azy. Tamin'ny 9 Martsa 2000 no niorina ny Nupedia, ary kompanian-tserasera amin'ny tranonkala iray, dia ny "Bomis, Inc", no tompony. IJimmy Wales, lehiben'ny Bomis sy iLarry Sanger, tonian'ny fanoratana no isan'ny olona nisongadina tao amin'ny Nupedia, sy ny Wikipedia tato aoriana. Arak'i Sanger, ny mahasamihafa ny Wikipedia amin'ireo raki-pahalalana efa misy dia izy malalaka ny votoatiny, tsy voafetra ny habeny noho izy voizina amin'ny tranonkala, mahitsy fijery ary miezaka ho tsotra noho izy mikendry ny sarambaben'olona sady mivelatra amin'ny lafy sy sokajin'olona maro.[1] Fony tamin'ny andron'ny Nupedia[2], dingana fito no narahin'ny lahatsoratra iray vao vita, ary matihanina maro no manara-maso izany dingana izany, nefa tsapa tato aoriana fa ela loatra izany sivana izany ka voafetra ihany ny isan'ny lahatsoratra vita. Raha i Bomis ihany no nanohana ara-bola ny fandaniana ilaina, dia nisy fikasana hitadiavam-bola amin'ny alàlan'ny dokambarotra.[1] Fahazoan-dàlana manokana atao hoe Nupedia Open Content License no nitondra ny Nupedia, fa novaina hoGFDL talohan'ny nanorenana ny Wikipedia araka ny torohevitr'iRichard Stallman.

Tamin'ny10 janoary2001 dia nanolo-kevitra hampiasa wiki teo amin'ny Nupedia i Larry Sanger tao anatin'ny mailing list. Hoy indrindra izy tamin'ilay lahatsoratra "Ndeha hanao wiki":

Tsia, tsy soson-kevitra tsy mendrika akory ity. Misy hevitra hanampy zavatra kely amin'i Nupedia. Inoan'i Jimmy Wales fa maro no mety hitsipaka ny hevitra, saingy izaho kosa tsy mino. (…) Ny fampiasan'i Nupedia wiki no HANY fomba tsotra sy malalaka hanovana ny votoatiny. Efa naelinay tsikelikely ny hevitra hitady tetikasa tsotra sy malalaka kokoa hanoloana na hisolo toerana an'i Nupedia. Amiko dia ny wikis no azo mora foronina indrindra sady vetivety, tsy dia mila fanamboarana loatra sady kely risika indrindra. Raha arak'izay hitako dia io no fomba kely lafy ratsiny indrindra, sady loharano lehibe ho an'ny votoatiny.

(Dikan-teny malalaka; "Let's make a wiki":

No, this is not an indecent proposal. It's an idea to add a little feature to Nupedia. Jimmy Wales thinks that many people might find the idea objectionable, but I think not. (…) As to Nupedia's use of a wiki, this is the ULTIMATE "open" and simple format for developing content. We have occasionally bandied about ideas for simpler, more open projects to either replace or supplement Nupedia. It seems to me wikis can be implemented practically instantly, need very little maintenance, and in general are very low-risk. They're also a potentially great source for content. So there's little downside, as far as I can determine.[3]

)

Nampilaza tamin'ny mailaka fampitana i Sanger momba ny fisokafan'ny Wikipedia tamin'ny fomba ofisialy tamin'ny 15 janoary2001 tao amin'nyhttp://www.wikipedia.com, ary mbola ny tenyanglisy no teny tokana nampiasainy.[4] Hatramin'ny 10 janoary izy dia mbola fanampin'ny Nupedia.com ahafahan'ny daholobe manoratra lahatsoratra izay hakambana ao anatin'ny Nupedia rehefa voatsara. Tsy nankatoavin'ny mpitantana sy mpanolo-tsaina tao amin'ny Nupedia anefa ny fomba fivoarany, koa nijoro ho tetikasa mahaleotena tsy miankina amin'ny Nupedia intsony izy.[5] Nofaritana nandritra ny volana vitsivitsy voalohany ny fitsipika momba ny fijery tsy mitanila (anglisy:neutralpoint-of-view), na dia mitovy betsaka tamin'ny fitsipika "nonbias" an'ny Nupedia aza izany. Nisy koa anefa fitsipika hafa vitsivitsy napetraka. Vetivety foana dia nahazo laka tamin'ireo mpandray anjara tao amin'ny Nupedia ny Wikipedia, nalaza tamin'i Slashdot ihany koa sy teo amin'ireo fikarohana sehatra. Nitombo ny isan'ny lahatsoratra, nanodidina ny 20.000 ny isany ary 18 ireo tenim-pirenena nampiasana azy tamin'ny taona voalohany nisiany. 26 izany isan'ny tenim-pirenena izany tamin'ny faran'ny taona 2002, 46 tamin'ny faran'ny taona 2003 ary 161 tamin'ny faran'ny taona 2004.[6] Niara-nisy ny Nupedia sy ny Wikipedia mandra-pikaton'ny Nupedia tanteraka tamin'ny taona 2003, ka nametrahana ny lahatsoratra rehetra tao anatiny ho ao amin'ny Wikipedia.

Wikipedia anglisy tamin'ny30 martsa2001, roa volana sy tapany taorian'ny niorenany.

Raha araka an'i Wales sy Sanger, diaen:Portland Pattern Repository na WikiWikiWeb an'ien:Ward Cunningham no fototry ny fampiasana wiki tamin'ny Wikipedia. Nomarihin'i Wales fa reny tamin'i Jeremy Rosenfeld, mpiasa iray tao amin'ny Bomis ny ambangovangony momba azy io tamin'ny volana desambra 2000,[7] nefa taorian'ny nandrenesan'i Sanger ny fisian'io wiki io tamin'i Ben Kovitz[5] ny volana janoary 2001 vao natolony an'i Wales ny hevitra hampiasana wiki amin'ny Nupediata, sy nanombohan'ny tantaran'ny Wikipedia. Niara-nisy tamin'ny Nupedia hatramin'ny fiantombohany koa ny tetikasa iray GNUpedia izay malalaka ny votoatiny nefa tsy nampiasa wiki. Taty aoriana dia nitsahatra ny fivoarany, ary iRichard Stallman, fantatra indrindra eo amin'ny sehatry ny rindrankajy sady mpamorona ny GNUpedia no nitondra ny anjara-birikiny tamin'ny Wikipedia.[8]

Naneho ny ahiahiny ny amin'ny dokambarotra sy ny fahabangan'ny fanaraha-maso amin'ny Wikipedia anglisy ny mpikambana maro tao amin'ny Wikipedia espaniôla, ary namorona ny tetikasaEnciclopedia Libre izay niainga avy amin'ny Wikipedia ny volana febroary 2002. Tamin'io taona io ihany, taty aoriana kely, dia nanao fanambarana i Wales fa tsy haneho dokambarotra ny Wikipedia ary hafindra ao amin'ny wikipedia.org ny sehatra. Hosinganina koa ny tetikasa Wikinfo, izay niainga avy tamin'ny Wikipedia ihany nefa niala tamin'ilay fitsipika "fijery tsy mitanila" (neutral point-of-view) mba hahafahany mametraka lahatsoratra hafa misy fijery "sympathetic point-of-view".

Niforona avy amin'ny Wikipedia sy ny Nupedia ny 20 jiona2003 ny Wikimedia Foundation.[9] Taorian'izay dia niasa tao anatin'io fikambanana tsy itadiavam-bola io ny Wikipedia sy ireo tetikasa rahavavy. "In Memoriam: September 11 Wiki" no tetikasa rahavavin'ny Wikipedia niseho voalohany, niforona ny volana oktobra 2002 hitantarana amin'ny antsipiriany ny fanafihana an'i Etazonia tamin'ny11 septambra;[10] Natomboka ny volana desambra 2002 ny tetikasa rakibolanaWiktionary (na Wikibolana amin'ny teny malagasy); herinandro taorian'izay nyWikiquote, tahirina quotations; ary iray volana taty aoriana nyWikibooks, angom-boky maimaim-poana. Avy eo dia maro ny tetikasa hafa natomboka izay hita etsy ambany ny antsipiriany.

Tetikasa Wikipedia

[hanova |hanova ny fango]

NyWikipedia amin'ny teny anglisy no Wikipedia lehibe indrindra izay manana lahatsoratra eo amin'ny efatra tapitrisa eo ho eo. Manaraka aoriana nyfiteny neerlandey, nyfiteny alemana, nyfiteny soedoa ary nyfiteny frantsay izay samy manana lahatsoratra maherin'ny 2 tapitrisa.

Wikipedia amin'ny teny anglisy

[hanova |hanova ny fango]
Laharan'nyWikipedia amin'ny teny anglisy araky tsidika isaky ny firenena : voalohany (mena), faharoa (laoranjy).

Noforonina tamin'ny15 Janoary 2001, sady manana lahatsoratra voatahiry maherin'ny 4 tapitrisa nanomboka tamin'ny Jolay 2012 ny Wikipedia amin'ny teny anglisy. Tamin' ny taona 2025 izy dia nanana lahatsoratra mihoatra ny 7 tapitrisa.

Izy no voalohany sy lehibe indrindra. Eo amin'ny 14,7% ny lahatsoratra eo amin'ny tetikasa Wikipedia rehetra no amin'ny teny anglisy. Nihena avy tamin'ny 50% io isa io nohon'ny fitomboan'ny Wikipedia amin'ny fiteny hafa. Eo amin'ny 9,7 gigaoktety ny lanjan'ny lahatsoratra ao amin'ny Wikipedia amin'ny teny anglisy.

Wikipedia sasantsasany

[hanova |hanova ny fango]

Wikipedia amin' ny fiteny eorôpeana

[hanova |hanova ny fango]
  1. Wikipedia amin' ny teny anglisy (tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 7 029 636 amin' nyteny anglisy) (en.wikipedia.org)
  2. Wikipedia amin' ny teny alemàna (tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 3 035 622 amin' nytenyalemàna) (de.wikipedia.org)
  3. Wikipedia amin' ny teny frantsay (tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 2 698 799 amin' nytenyfrantsay) (fr.wikipedia.org)
  4. Wikipedia amin' ny teny soedoà (tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 2 613 672 amin' nytenysoedoà) (sv.wikipedia.org)
  5. Wikipedia amin' ny teny neerlandey (tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 2 193 077 amin' nytenyneerlandey) (nl.wikipedia.org)
  6. Wikipedia amin' ny teny rosiana (tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 2 056 417 amin' nytenyrosiana) (ru.wikipedia.org)
  7. Wikipedia amin' ny teny espaniôla (tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 2 050 552 amin' nytenyespaniôla) (es.wikipedia.org)
  8. Wikipedia amin' ny teny italiana (tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 1 928 334 amin' nytenyitaliana) (it.wikipedia.org)
  9. Wikipedia amin' ny teny pôlôney (tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 1 664 307 amin' nytenypôlôney) (pl.wikipedia.org)
  10. Wikipedia amin' ny teny okrainiana (tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 1 385 498 amin' nytenyokrainiana) (uk.wikipedia.org)
  11. Wikipedia amin' ny teny pôrtogey (tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 1 151 393 amin' nytenypôrtogey) (pt.wikipedia.org)

Wikipedia amin' ny fiteny afrikana

[hanova |hanova ny fango]
  1. Wikipedia amin' ny teny arabo ejiptiana (tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 1 628 231 amin' nytenyarabo ejiptiana) (arz.wikipedia.org)
  2. Wikipedia amin' ny teny afrikansa (tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 125 505 amin' nytenyafrikansa) (af.wikipedia.org)
  3. Wikipedia amin' ny teny soahily (tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 100 838 amin' nytenysoahily) (sw.wikipedia.org)
  4. Wikipedia amin' ny teny malagasy (tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 100 614 amin' nytenymalagasy) (mg.wikipedia.org)
  5. Wikipedia amin' ny teny haosa (tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 63 489 amin' nytenyhaosa) (ha.wikipedia.org)
  6. Wikipedia amin' ny teny igbô (tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 43 154 amin' nytenyigbô) (ig.wikipedia.org)
  7. Wikipedia amin' ny teny iôroba (tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 35 508 amin' nytenyiôroba) (yo.wikipedia.org)
  8. Wikipedia amin' ny teny amharika (tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 15 440 amin' nytenyamharika) (am.wikipedia.org)
  9. Wikipedia amin' ny teny zolo (tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 11 691 amin' nytenyzolo) (zu.wikipedia.org)
  10. Wikipedia amin' ny teny arabo marôkana (tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 10 677 amin' nyteny arabo marôkana) (ary.wikipedia.org)
  11. Wikipedia amin' ny teny folany (tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 10 149 amin' nytenyfolany) (ff.wikipedia.org)

Wikipedia amin' ny fiteny aostrôneziana

[hanova |hanova ny fango]
  1. Wikipedia amin' ny teny seboanô (tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 6 116 227 amin' nytenyseboanô) (ceb.wikipedia.org)
  2. Wikipedia amin' ny teny oaray-oaray (tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 1 266 721 amin' nyteny oaray-oaray) (war.wikipedia.org)
  3. Wikipedia amin' ny teny indôneziana (tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 736 652 amin' nytenyindôneziana) (id.wikipedia.org)
  4. Wikipedia amin' ny teny maley (tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 430 606 amin' nytenymaley) (ms.wikipedia.org)
  5. Wikipedia amin' ny teny minangkabao (tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 228 478 amin' nytenyminangkabao) (min.wikipedia.org)
  6. Wikipedia amin' ny teny malagasy (tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 100 614 amin' nytenymalagasy) (mg.wikipedia.org)
  7. Wikipedia amin' ny teny javaney (tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 74 613 amin' nytenyjavaney) (jv.wikipedia.org)
  8. Wikipedia amin' ny teny sondaney (tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 62 039 amin' nytenysondaney) (su.wikipedia.org)
  9. Wikipedia amin' ny teny tagalôga (tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 48 759 amin' nytenytagalôga) (tg.wikipedia.org)
  10. Wikipedia amin' ny teny banjara (tamin' ny 28 Jolay 2025: lahatsoratra 11 345 amin' nytenybanjara) (bjj.wikipedia.org)

Tsiahy

[hanova |hanova ny fango]
Mbolaambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'nyfanitarana azy.
Jereo koa ny pejyAhoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

  1. 1,0 et1,1Larry Sanger, "Tafatafa momba an'i Nupedia (Q & A about Nupedia)", Nupedia, March 2000
  2. https://fr.wikipedia.org/wiki/Nupedia
  3. Larry Sanger (January 10,2001). "Let's make a wiki". Internet Archive. Archived fromthe original on 2003-04-14. https://web.archive.org/web/20030414014355/http://www.nupedia.com/pipermail/nupedia-l/2001-January/000676.html. 
  4. Larry Sanger (January 17,2001). "Wikipedia is up!". Internet Archive. Archived fromthe original on 2001-05-06. https://web.archive.org/web/20010506042824/http://www.nupedia.com/pipermail/nupedia-l/2001-January/000684.html. 
  5. 5,0 et5,1Larry Sanger (April 18,2005). "The Early History of Nupedia and Wikipedia: A Memoir". Slashdot. http://features.slashdot.org/features/05/04/18/164213.shtml. 
  6. "Multilingual_statistics Antontan'isa Wikipedia amin'ny tenim-pirenena maroArchived Aogositra 12, 2005 at theWayback Machine", Wikipedia,30 martsa2005
  7. Jimmy Wales, "Re: Sanger's memoirsArchived Novambra 26, 2005 at theWayback Machine",20 aprily2005,<wikipedia-l@wikipedia.org>
  8. Richard Stallman (1999). "The Free Encyclopedia Project". Free Software Foundation. http://www.gnu.org/encyclopedia/encyclopedia.html. 
  9. Jimmy Wales: "Announcing Wikimedia Foundation",20 jiona2003, <wikipedia-l@wikipedia.org>
  10. Nony tamin'ny taona 2006 anefa dia tsy nokilasian'ny maro ho tetikasa rahavavy ny sehatra "In Memoriam: September 11"; ary nisy torohevitra sy antso hanakatonana azy, na hamindrana toerana azy ao amin'i [[w:en:Wikia|]]. "Sosokevitra hanakatonana tetikasa", ahitana dinika momba an'izay ao amin'ny Meta-Wiki.
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Wikipedia&oldid=1120473"
Sokajy :

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp