Ny mampiavaka ny wiki amin'ny fitaovana fitantanana votoatin-tsehatra hafa dia mitovy ny fahafahan'ny olona tsirairay manana alàlana amin'izany hanova ny votoatin'ny pejy, ary tsy voafetra ny fanovàna ataony amin'izany kanefa tsy miteraka lesoka eo amin'ny sehatra amin'ny ankapobeny : afaka manitsy tsipelina iray diso nafaingo tokana monja izy nefa koa afaka mamafa ny votoatin'ny pejy iray manontolo. Ao anatin'ny wiki dia namoraina ny famoronana pejy sy ny fanaovana rohy. Ny lasitra itoeran'ny votoatin'ny pejy izay misy ny fampahalalana ankapobeny sy mombamomba ny sehatra ihany no tsy afaka ovaina.
Ny mpivoivoy tranonkala mahazatra (navigateur) ihany no fitaovana ampiasaina hijerena sy hanovana ny lahatsoratra. Misy endrika roa no ahafahana mahita ny pejy : mijery fotsiny na ny fahafahana manova ny votoatiny. Amin'ny fanovàna ny pejy, dia miseho ao anaty fisy (formulaire) ny lahatsoratra. Miampy tetika fanoratra (syntaxe) vitsivitsy izany, izay antsoina koa hoewikitext, ahafahana mamboatra ny endriky ny lahatsoratra, manisy rohy, manampy sary. Raha oharina amin'ny fango HTML dia mora ianarana kokoa io fomba iray io.
Misy koa anefa wiki vitsivitsy izay mampiasa interfaceWYSIWYG fa tsywikitext.
Tehirizin'ny wiki ny mombamomba ny fanovàna rehetra (ny votoatin'ny lahatsoratra, ny daty nanovàna azy, ny olona nanova azy). Azo atao araka izany ny manaraka ny fivoaran'ny pejy anankiray, na ny manafoana fanovana anankiray ka mamerina ny lahatsoratra amin'ny endriny teo aloha. Azo arahi-maso ihany koa ny fandraisan'anjaran'ny mpitsidika. Farany dia aza atao koa ny manaraka indray mijery sy amin'ny fotoana rehetra ny fiainan'ny sehatra iray manontolo. Ireo fampahalalana rehetra ireo dia tehirizina ao anatybanky angona avokoa amin'ny ankapobeny.
Tsy ny pejy rehetra kosa anefa mazava ho azy ny azo ovaina, ary anisan'ny tsy azo ovaina ny pejy ahitana ireo fanaraha-maso ireo. Misy koa pejy hafa natokana ho an'ny mpitantana ihany, ka tsy afaka ovàna, toy ny pejy handinihana ny rohy, ny pejy mampifandray amin'ny système (fidirana, mombamomba ny mpitsidika, fanovàana anarana pejy, fandefasana rakitra).
Tsy voatery hoe afaka ovain'ny daholobe daholo akory ny wiki rehetra ; indraindray mety hotakiany ny fisoratana anaran'ny mpitsidika. Ary ho an'ny wiki misokatra ho an'ny daholobe aza dia misy teknika ampiasaina hiadiana amin'ny fanovana tsy irina.
Rehefa avelan'ny wiki iray manova ny votoatin'ny pejy ao anatiny ny mpikambana tsy misoratra anarana, dia nyadiresy IP-n'ilay mpitsidika no amantarany azy. Na izany na tsy izany dia azo atao ny manokatra kaonty sy miditra amin'ny alàlan'ny solonanarana sy tenimiafina.
Ny wiki iray misokatra ho an'ny daholobe dia karakarain'ny fiaraha-moni-mpitsidika na fikambanan'ny mpampiasa azy mandavanandro, ary manatratra tanjona tokana ireo olona ireo. Raha vao misy fampahalalana miova, dia avy manara-maso an'izay ny mpandray anjara mavitrika liana amin'ny pejy novaina, ary manitsy ny diso na manampy fampahalalàna raha ilaina. Araka izany, vetivety ihany dia hita sy voafafa ny fisomparana maro izay mety hisy hanao. Ankoatra an'izay dia misy antanantohatra ihany koa ny fahefana ananan'ny mpitsidika. Misy mpitsidika sasany manam-pahefana hamafa na hanidy pejy iray mba tsy ho azo ovaina intsony, na koa manakana ireo mpikambana tsy mitondra soa ho an'ny tetikasa. Amin'ny ankapobeny dia mora sy vetivety kokoa ny manafoana ny fisomparana anankiray noho ny herim-po sy fotoana lany nanaovana azy.
Ny fahombiazan'iWikipedia dia maneho fa ny fiaraha-miasan'ny olona maromaro resy lahatra amin'ny tanjona iray dia ampy hahavitana sehatra wiki iray lehibe, tsara kalitao ary be mpitsidika. Nefa ireo sehatra wiki misokatra ho an'ny daholobe fa tsy ampy fanaraha-maso kosa dia vetivety dia lasibatry ny fisomparana sy nyspam.