Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Vorondreo

Avy amin'i Wikipedia
Vorondreo lahy

Nyvorondreo nakirombo natreotreo dia karazam-borona ao amin' ny vondron-karazanaLeptosomus sy ao amin' ny fianakavianaLeptosomidae ary ao amin' ny filaharanaLeptosomiformes.Leptosomus discolor ny anarany ara-tsiansa ary izyno solon-tena tokana ao amin' io filaharana io. Tsy hita afa-tsy etoMadagasikara sy ao amin' nyvondro-nosy Kômôro izy io.

Famariparitana

[hanova |hanova ny fango]

Toy izao ny famaritan' nyRakibolana malagasy io karazam-borona io:

"Vorona salasalany, hafahafa bika, manopy maitso ny volony, izay lasa maitso antitra ea amin' ny volombodiny ary maitso misy tarany mena amin' ny elany; mitaraindraina toa mampalahelo ny feon' ny vorondreo ka heverin' ny maro ho fambara loza ny fandrenesana azy"[1].

Ny vorondreo dia miavaka amin' ny lohany lehibe, saika tsy mifandanja amin' ny sisa amin' ny vatany, ny vavany lehibe sy fohy, ary ny elany lava sady somary boribory tendro. Somary lava ny rambony ary fohy dia fohy ny tongony.

Vorondreo lahy

Tsy mitovy bika ny lahy sy ny vavy. Ao amin' ny lahy dia volondavenona mainty ny lamosina sy ny elatra miaraka amin' ny loko maitso metaly mamirapiratra sy volomparasy manopy mena; volondavenona ny ny ambany sy ny lohany ary ny tendany, mifanohitra amin' ny satrony sy ny lamosina mainty.

Vorondreo vavy

Amin' ny ny vavy efa lehibe sy ny zanany dia manja antitra ny manana tapany ambony, misy sakana mainty sy menapina ny eo amin' ny satrony; menapina hatsatra ny ao ambaniny sady misy pentipentina mainty; volondavenona-ôliva ny eo ambonin' ny rambony; misy sakana menapina, izay hita indrindra amin' ny fisidinany, ny sisin' ny elatra.

Faritra ahitana azy sy zana-karazana

[hanova |hanova ny fango]

Ity karazam-borona ity dia matetika hita any amin' ny ala trôpikaly sy sobtrôpikaly ary amin' ny toeram-ponenana faharoa etoMadagasikara sy ao amin' nyvondro-nosy Kômôro.

Zana-karazana telo no voafaritra:

  • nyLeptosomus discolordiscolor izay hita etoMadagasikara sy ao amin' ny nosyMayotte;
  • nyLeptosomus discolorintermedius aoNzwani;
  • ary nyLeptosomus discolorgracilis aoNgazidja.

Noho ny hakeliny sy ny tsy fitovizan' ny volony ary ny fahasamihafan' ny feony, ny farany amin' izy ireo indraindray dia heverina ho karazana misaraka (Leptosomusgracilis).

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova |hanova ny fango]
  1. Rajemisa-Raolison Régis, "Vorondreo",Rakibolana malagasy,  Ambozontany. 1985
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Vorondreo&oldid=1125645"

[8]ページ先頭

©2009-2026 Movatter.jp