Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Aller au contenu
Wikipedia
Tadiavo

Volta (ony)

Avy amin'i Wikipedia
Ny ony Volta, eo amin' ny tetezan' i Adome
Ny ony Volta sy iVolta Noire (na Mouhoun) sy iVolta Blanche (na Nakambé) ary iVolta Rouge (na Nazinon).

IVolta dia ony anyGanà izay foronin' ny fihaonan' iVolta Noire (na Mouhoun) sy iVolta Blanche (na Nakambé) ary iVolta Rouge (na Nazinon). Mikoriana mianatsimo izy ary miampita ny farihyVolta, ao Ganà, avy eo mitambatra  amin' ny ony Ada eo amin' nyHoalan' i Ginea. Na i Volta Noire sy i Volta Blanche dia samy manana ny loharanony aoBorkina Fasô (firenena fantatra taloha tamin’ny anarana hoeHaute-Volta).

Ny anarany, izay midika hoe "fihodinana" amin' nyteny pôrtogey, dia nomen' ilay Pôrtogey mpandeha an-tsambo azy, noho ny lalany miolikolika. Mihaona tao Yeji ireo renirano roa ambony ireo, Yeji izay toerana rakotry ny farihy Volta ankehitriny. Ny halavany manontolo, anisan' izany i Volta Noire, dia 1 450 km eo ho eo. I Oti sy i Afram no sakeli-dranony lehibe. Mahatratra 400 000 km2 ny faritanin-dranon' ilay ony sy ny sakeli-dranony ary 1 200 m3/s ny salan-kabetsahan-dranony eo am-pivarinany any an-dranomasina.

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Volta_(ony)&oldid=1085457"
Sokajy :

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp