Nyvolamahery naplatinina dia singa simika somary volondavenona, tsy fahita firy, somary malefaka (hamafy 4,3) ary tsy mety simba, mitondra ny laharana atômika 78, nomena ny evaPt.
Azo volavolaina izy io, miitatra kely amin' nyhafanana ary mananatohitra araka aratra lehibe. Tsy mety kikisan' nyrivotra na nyrano na nyasidra na nympiota mahazatra ity metaly ity. Levona moramora ao anaty taharon' nyasidra klôridirika sy nyasidra nitrika marihitra izy ka mamorona klôriora-na platinika, manana raikipohy PtCl4. Ny platinina dia voakikin' nyhalôzenina ary mitambatra amin' nyhidrôksida-na sôdiôma amin' ny fandoroana, amin' nynitrata-na sôdiôma ary amin' nysianiora-na sôdiôma. Ny platinina dia manana tebo-pitsonihana ambony, manodidina ny 1 768 °C; mangotraka izy manodidina ny 3 825 °C; manana hakitroka avo dia avo eo amin' ny 21,1 eo ho eo ary ny lanja atômikany dia 195,08.
Noho ny platinina tsy mandray anjara amin' nyfiota simika sy noho ny fananany mari-panam- pitsonihana avo dia avo, ity metaly ity dia ampiasaina amin' ny fitaovana ampiasaina anaty laboratoara maro, toy ny memy (fandrehetana metaly), nytandra, ny fantsona ary fitaovana fandoroana sy fanetonana. Ny platinina koa dia ampiasaina amin' ny fampifandraisana amin' ny fitaovana mandeha aratra sy amin' ny fitaovana fandrefesana hafanana ambony. Ampiasaina betsaka amin' ny indostrian' ny simia toy nympandrisikoto, rehefa miendrika vory ny platinina. Ampiasaina betsaka koa ny platinina amin' ny fanamboarana firavaka, izay ampiraisana azy amin' nyvolamena. Amin' ny fitsaboana nify dia vita amin' ny platinina ny fanentsenana nify loaka sasany. Ny toetran' ny platinina dia mahatonga azy ho anisan' ny akora fanodina stratejika valo heverina ho ilaina amin' ny fotoan' ny ady. Sarobidy noho ny volamena izy.