IVietnamy, naRepoblika Sôsialistan' i Vietnamy dia firenena aoAzia Atsimo-Andrefana ao atsinanan' nySaikanosy Indôsinoa. Mirefy 341 690 km² ny velaran-taniny ary miisa 90,3 tapitrisa ny mponina tgao aminy tamin' ny taona 2012. I Vietnamy no firenena faha-13 be mponina indrindra eto ambonin' ny tany ary firenenaaziatika fahavalo be mponina indrindra.
Manana halava mirefy 1 700 km, avy avaratra mianatsimo, sy sakany tsy mihoatra ny 300 km i Vietnamy. Betendrombohitra sy belembalemba, izay mahatratra 65 %n’ ny taniny ity firenena ity. Ny Ony Mena ao avaratra sy iMekong ao atsimo no ony lehibe indrindra any. Toetanin-janapehin-tany ny toetany any.
Makitroka ny mponina any Vietnamy ary misy mponina 1 000 isaky ny km2 amin’ ny faritra amorontsiraka sasany. Betsaka ny tanora satria latsaky ny 15 taona ny 37 %n’ ny mponina. Ny 75 %n’ ny mponina dia monina an-tanàn-dehibe.
Mandroso ny toekaren’ i Vietnamy nefa tsy voatsinjara tsara eran’ny taniny izany. Ny fambolena no loharanon-karena lehibe indrindra any, indrindra ny fambolem-bary. Mandroso koa ny fanjonoana.
I Vietnamy dia ao amin' ny tapany atsinanan' nySaikanosy Indôsinoa. Ny velarantany manontolon' ilay firenena dia 331 210 km² izay mitovitovy velarana amin' iAlemaina. Ny halavan' ny morontsiraka dia 3 444 km. Ny tendrombohotra avo indrindra ao Vietnamy dia i Phan Xi Păng izay manana haavo 3 143 m.
Nampalemy ny toekaren' i Vietnamy ny fandaniam-bola lehibe ho an' ny tafika sy ny fandaminana ny toekarena. Na dia izany aza, nitombo sahala amin' ny fitombon' ny toekaren' ny Sinoa ny toekaren' i Vietnamy taorian' ny nanesorana ny ankivy nataon' nyAmerikanina teo antenantenan' ny taona 1990. Nandritra ny taona 2000 dia tsy latsaky 4,7% ny fitombon' nyharin-karena faobe.
Ny harin-karena faoben' i Vietnamy dia 299,2 lavitrisa dolara ka manao azy ho firenena faha-43 lehibe indrindra ara-toekarena. Tamin' ny taona 2011, ny anjara toeran' ny fambolena ao amin' ny toekaren' i Vietnamy dia 48%, ny sampan-draharaha dia 29,6% ary ny indostria dia 22,4%.
Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'nyfanitarana azy. Jereo koa ny pejyAhoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.