IVespasiano dia emperora rômana teraka tamin' ny 17 Nôvambra 9 tany akaikin' i Reate (Rieti, aoItalia ankehitriny) ary maty tamin' ny 23 Jona 79 tao Aquae Cutiliae. Izy no mpanorina ny tarana-mpanjaka Flaviano izay nanjaka teo amin' nyEmpira Rômana tamin' ny taona 69 ka hatramin' ny 96. Nandimby azy iTitosy zanany lahy, avy eo iDômitiano, taorian' ny nahafatesany. Amin' nyteny latina dia atao hoeImperator Caesar Vespasianus Augustus izy.
Tao amin' ny tafika no niandohan' ny lazany: izy no lohandohany nandritra ny ady fakana an' iBritaina Lehibe tamin' ny taona 43 ary nifehy an' iJodea (naJodia) nandritra nyfikomiana jiosy tamin' ny taona 66.
Raha nanao fahirano an' iJerosalema i Vespasiano, dia namono tena ny emperoraNerô ary nampiditra ny Empira Rômana tao anatin' ny ady an-trano. Nanambara an' i Vespasiano ho emperora ny tafika rômana tanyEjipta sy tanyJodea tamin' ny 1 Jolay 69. Nandresy an' i Viteliosy (Aulus Vitellius) i Vespasiano tamin' ny 20 Desambra 69, ary nohamafisin' ny Antenimieran-doholona ny fanendrena azy ny ampitson' iny.
Nanamarika ny fitondran' i Vespasiano ny fanavaozana ara-bola sy ny fanorenana lehibe nataony. Ny tetikasany malaza indrindra dia nyColosseum, toeram-pijerena fampisehoana lehibe tsy nisy toy izany. Nanohy ny ady fankana an' i Britaina Lehbe koa i Vespasiano, tamin' ny alalan' i Agrikôla (Agricola), solom-panjakany. Taorian' ny nahafatesany tamin' ny taona 79, dia iTitosy (Titus) zanany lahimatoa no nandimby azy: i Vespasiano àry no emperora rômana voalohany nosoloana ny zanany ivelan' ny fanambadiana.
Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'nyfanitarana azy. Jereo koa ny pejyAhoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.