Nyvehivavy dia ny vavy amin' ny olon-dehibe. Talohan' ny maha olon-dehibe dia antsoina hoe zazavavy (zazavavy kely na vanto-jazavavy) ny vehivavy.
Amin' ny ankapobeny ny vehivavy dia avy mananataovam-pananahana vavy ary mandovakrômôzôma X roa, iray avy amin' ny ray ary ny iray avy amin' nyreny, ary ny vehivavy lonaka dia mety bevohoka sy miteraka manomboka amin' nyfahamaotiana ka hatramin' nyfitsaha-jaza.
Miavaka amin' ny an' nylehilahy ny toebatan' ny vehivavy amin' ny alalan' ny rafi-pananahan' ny vehivavy izay ahitana nyfihary atodinaina, nyfantson' i Fallope, nytranonjaza, nylalanjaza ary nyvavam-pivaviana. Amin' ny ankapobeny dia mananataola-maoja malalaka kokoa,andilana mivelatra kokoa arynono lehibe kokoa ny noho ny an' ny lehilahy ny vehivavy lehibe. Manamora ny fiterahana sy ny fampinonoana ireo toetra ireo. Matetika ny vehivavy dia tsy misyvolo firy amin' ny tarehy sy amin' ny faritra hafa, mananatavy ambony kokoa, ary amin' ny ankapobeny dia fohy kokoa ary tsy dia hozarina kokoa noho ny lehilahy.
Nandritra ny tantaran' ny olombelona dia matetika ny andraikitra nentim-paharazan' ny lahy sy ny vavy eo anivon' nyfiarahamonina no mamaritra sy mametra ny hetsika sy ny fahafahan' ny vehivavy, ka miteraka tsy fitovian-jon' ny lahy sy ny vavy; fampianarana ara-pivavahana sy rafitra ara-dalàna maro no mametraka fitsipika sasany ho an’ ny vehivavy manokana. Miaraka amin' ny fameperana izay nivaha nandritra ny taonjato faha-20 tany amin' ny fiarahamonina maro dia nahazo fahafahana bebe kokoa amin' ny asa sy amin' ny fanohizana fianarana ambony ny vehivavy. Ny herisetra atao amin' ny vehivavy, na ao anatin' nyfianakaviana na eo amin' ny fiarahamonina, dia manana tantara lava ary ny lehilahy no tena mpanao izany. Tsy manana zo hanan-janaka ny vehivavy sasany. Manana tanjona iraisana amin' ny fanatrarana ny fitovian-jon' ny lahy sy ny vavy ny hetsika sy ny foto-kevitry nyfeminisma.