Nyvôdo navôdoisma diafivavahan-drazana avy atyAfrika izay niely tamin' ny alalan' ny fivarotana andevo mainty hoditra tanyHaity, tanyKobà, tanyKaraiba, tanyBrezily ary tanyEtazonia. Ireo vahoaka Aja sy Eoe ary Fôna aoBenîno syGanà aryNizerià no tena manaraka azy ao Afrika. Misy 50 tapitrisa any ho any ny mpino vôdo maneran-tany.
Avy aoAfrika atsimon' i Saharà ny fivavahana vôdo, izay nipoitra avy ao amin' ny Fanjakan' i Dahomey (izany hoe iBenîno ankehitriny, izay manao azy ho fivavaham-panjakana nanomboka tamin' ny taona 1996) taoAfrika Andrefana. Avy amin' nyteny fôna hoevodun (izay midika hoe "fanahy") ny teny nogasîna hoe vôdo. Ny fiteny fôna dia fiteny ao Benîno. Tamin' ny voalohany dia nandroso tao amin' ireo firenena manamorona nyHoalan' i Ginea, toa an' iTôgô sy iNizerià, tamin' ny alalan' nylovantsofina am-bava koa ity fivavahana ity.
Ny fivavahana vôdo dia miompana amin' ny fanompoam-pivavahana atao amin' ny zanahary nafanahy izay miseho amin' ny alalan' ny hery avy ivelan' ny zavaboary. Ireo fanahy ireo dia manapaka ny hoavin' ny olombelona sady mpanelanelana eo amin' ny olombelona sy ny Andriamanitra fara tampony. Ireo fanahy ireo dia mety horazana lasa zanahary.
Karandoham-biby sy zavatra hafa hampiasaina amin' ny fivavahana vôdo
Ny finoana vôdo dia niampita nyRanomasimbe Atlantika nanomboka tamin' ny taonjato faha-16 tamin' ny alalan' ireo andevo maity hoditra, ka nandroso indrindra tao amin' ny faritraKaraiba, taoHaity ary tanyBrezily, izay mbola ahitana azy mandraka ankehitriny. Vetivety dia lasa sehatra nanoherana ny fanandevozana sy ny fanjanahan-tany ny vôdo. Ny fivavahana vôdo dia notanterahina miafina. Nanoherana ny fanerena hanaraka ny fiteny sy ny fanao ary ny fivavahan' nyFotsy hoditra izay nanao izay hahadoana ny maha izy azy nyMainty hoditra.
Ny 17 %n' ny mponina aoBenîno dia manaraka ny fivavahana vôdo, izany hoe 1,6 tapitrisa; fivavaham-panjakana ny vôdo ao Benîno. Ny maro amin' ireo milaza ny tenany hoKristiana (41,5 %) koa dia mpampifangaro ny fivavahana kristiana amin' ny vôdo. AoTôgô dia ny antasaky ny mponina no manatraka fivavahana teratany, ka ny be mpanaraka indrindra dia ny vôdo, izay ahitana mpino miisa 2,5 tapitrisa. Amin' ireo vahoaka Eoe anyGanà dia manodidina ny iray tapitrisa koa ny mpanaraka ny vôdo (13 %n' ny mponina any Ganà, izany hoe 38 %n' ny Ganeana manaraka ny fivavahan-drazana). Any amin' ny 14 tapitrisa no manaraka ny vôdo anyNizeria, ka ny ankamaroany dia ireo Iôroba izy manaraka koa fivavahana Ifá. Any Haity dia ny 80%n'ny mponina no manaraka ny vôdo izay mapifangaeo azy amin' ny fivavahana kristiana matetika.
Tany am-piandohany dia mino ny fisian' nyAndriamanitra tokana fara tampony mpamorona atao hoeMbamawu sy fanahy (lwa naloa) maro hafa ny fivavahana vôdo, nefa nisy fiovana miandalana izany rehefa tany an-dafin' iAtlantika. Lasa nanana toera vaovao ireo fanahy ireo, izay miisa anarivony, taty aoriana. Misy amin' izy ireo ny tsara fa misy koa ny ratsy. Taty aoriana koa dia nampiditra fomba avy amin' nyfivavahana katôlika koa ny vôdo, ka isan' izany ny fampitoviana ny fanahy sasany amin' ireo olomasina kristiana, ny fampidiranasakramenta toy nybatemy (na batisa). Tafiditra koa ny fampiasana jiro sy lakolosy arylakroà. Avy amin' nyfivavahan-drazana afrikana kosa ny dihy sy ny amponga ary nyfivavahana amin' ny razana.
Anisan' ireo fanahy inoana ao amin' ny vôdo:
i Papa Legba (fanahy mpitarika ireo fanahy hafa, moanondro ny lalan-kombana, irak' Andriamanira sady mpanelanelana aminy, mihazoa ny fanakahidin' nyAfobe sy nyParadisa, heverina fa iMd Piera);
i Dan Aido Weddo (fanahy na zabahary bibilava avana);
i Azaka na Zaka (fanahy ho an' ny asa tany: ny fambolena sy ny fijinjana, ampitovin' ny Vôdoista haitiana amin' i Md Izidôro mpiasa tany izy);
i Ogun na Ogou na Ogou Feray na Gou (fanahy manampy ireo mpanefy sy ny mpiantafika, mifehy ny afo sy ny vy);
i Ezili na Erzulie Freda (fanahy ho an' ny hatsaran-tarehy sy ny fitiavana, ampitovina amin' iMasina Maria);
ireo Gédé maro (fanahy ho an' ny fahafatesana sy ny fahavokarana, tarihin' ireo Baron (Baron Samedi, Baron La Croix, Baron Cimetière, Baron Kriminel), sy i Maman Brigitte).
Miely dia miely anyTahity ny fivavahana vôdo izay manome toerana lehibe ny ombiasa izay inoana fa manana fahefana lehibe, inoana fa afaka manova ny olona ho lolovokatra (kreôly haisiana:zonbi) tsy manan-tsafidy maokana fa baikoina.