Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Tsekia

Avy amin'i Wikipedia
Saritanin'i Tsekia

ITsekia naRepoblika Tseka dia firenena aoEorôpa Afovoany. Ny renivohiny dia iPrague. Ny tanàna lehibe indrindra dia ny renivohiny. Miisa 10 701 777 ny mponina ao aminy araka ny fanisana natao tamin' ny taona2021. Ny faritr' ora dia +1.Česko naČeská Republika ny anarany amin' nyteny tseka.

Iray amin’ ireo fanjakana mahaleo tena avy amin’ ny fivakisan’ iTsekôslôvakia tamin’ ny taona1993 ny Repoblika Tseka (ny fanjakana hafa tao koa dia iSlôvakia). Eo anelanelan’ iAlemaina sy iPôlônia sy iSlôvakia aryAotrisy no misy an’ i Tsekia izay tsy manana morontsiraka.

Iray tamin’ ireo irenena tao Eorôpa Afovoany nanana fari-piaina-mponina ambony indrinda i Tsekôslôvakia. Nanomboka tamin’ ny taona1990 dia nanatanteraka fanavaozana lehibe ireo mpitondra azy mba hanakaikezany ireo firenena ao amin’ nyVondrona Eorôpeana.

Mamondrona faritra maro ny Repoblika Tseka: dia iBôhemia sy iMôravia izay nanjakazakan’ ny Habsborga teo anelanelan’ ny taona1526 sy1918. Taorian’ nyAdy Lehibe Valohany dia rava nyEmpira Aostrô-Hongariana. I Tsekia sy i Slôvakia, izay nandrafitra azy, dia nivondrona ka namorona fanjakana mahaleo tena, dia tsy iza izany fa nyRepoblikan' i Tsekôslôvakia. Maro vahoaka vitsy anisa ny ao amin’ ny Repoblika Tseka, ka isan’ izany indrindra nyAlemana any amin’ ireo Sudètes. Nakamban’ iAdolf Hitler tamin’ i Alemaina ireo Sudètes tamin’ ny alalan’ ny fifanarahana taoMunich tamin’ ny taona1938. Nanafika an’ i Tsekia ny Almana tamin’ ny taona1939. Taorian’ ny ady dia lasademôkrasia entim-bahoaka i Tsekôslôvakia ka nampanarahina ny an’ nyFiraisana Sôvietika ny fampandrosoana azy. Tamin’ ny taona1968 dia nanandrana ny demôkrasia tao amin’ ny fireneny ireo mpitondra tao ary nametraka "sôsialisma manan-tavan' olombelona": izany no atao hoe "Lohataonan’ i Prague". Nofaizin’ ny tafiky ny Dinan’ i Varsovia (tafik’ ireo firenena niara-dia amin’ ny Firaisana Sôvietika) izany andrana izany. Taorian’ ny nahazoan’ iMikhaïl Gorbatchev ny fahefana, izay nanao fanavaozana maro, dia niaina tamin’ ny atao hoe "Revôlisiôna malambolamb" (frantsay: "Revolution de velours") i Tsekôslôvakia: natao amin’ ny fomba milamina ny tetezamita mankany amin’ nydemôkrasia. Ilay mpanoratra atao hoeVáclav Havel no lasa filohan’ i Tsekôslôvakia tamin’ ny taona 1989. Namorona fanjakana roa mahaleo tena tamin’ ny taona 1993 ny fivakisan’ i Tsekôslovakia, ka teraka tamin’ izany ny Repoblika Tseka sy iSlôvakia. Nitoetra ho filohan’ ny Repoblika Tseka i Václav Havel mandra-pahatongan’ ny taona2003. Tamin’ ny taona2004 dia niditra ho mpikambana ao amin’ nyVondrona Eorôpeana ny Repoblika Tseka.

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]

Firenena ao Eorôpa

Albania -Alemaina -Andôra -Aotrisy -Belzika -Bielôrosia -Bolgaria -Bôsnia-Herzegôvina -Danemarka -Espaina -Estônia -Fanjakana Mitambatra -Finlandy -Frantsa -Grisia (naGresy) -Hôngria (naHongaria) -Irlanda -Islandy -Italia -Jeôrjia -Kipra (naSipra) -Krôasia (na -Krôatia) -Letônia -Liktenstaina -Litoania -Loksemborga -Masedônia Avaratra (naMakedônia Avaratra)-Malta -Môldavia -Môntenegrô -Nederlandy -Nôrvezy -Okraina -Pôlônia -Pôrtogaly -Romania -Rosia -San-Marîno -Serbia -Slôvakia -Slôvenia -Soeda -Soisa -Tsekia -Vatikàna.

Kôntinenta eto an-tany

Mbolaambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'nyfanitarana azy.
Jereo koa ny pejyAhoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Tsekia&oldid=1054649"
Sokajy :

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp