Ao amin' nyfivavahanaabrahama maro, nyanjely dia heverina ho zavaboary tsara ary mifanohitra amin' nydemonia, izay heverina ho ny ratsy mifanohitra aminy.
NyTsara, amin' ny ankamaroan' ny toe-javatra, dia manondro ny fitondran-tena izay tokony ho safidina rehefa apetraka miaraka hisafidianana hetsika marpomaro azo atao. Amin' ny ankapobeny, ny Tsara dia heverina ho mifanohitra amin' nyRatsy. Ny dikany manokana sy ny fiforonan' ilay teny sy ny fandikan-teny mifandraika amin' izany eo amin' ny fiteny taloha sy ankehitriny dia mampiseho fahasamihafana lehibe eo amin' ny endrika sy ny heviny, arakaraka ny toerana sy ny tantara, na ny toe-javatra ara-pilôzôfia na ara-pivavahana.
Ny Tsara, miaraka amin' nyIray sy nyMarina, dia anisan' ny mihoa-draha telo ao amin' nyskôlastika; io indrindra no sanda fenitry ny fitondran-teana, ary nyRatsy no mifanohitra aminy. Ny famaritana izay tsara na izay ratsy, izay avahana amin' izay mahasoa sy izay maharatsy, dia azo atao ao anatin' ny sehatry ny fitsipiky ny fahalalam-pomba, ny voninahitra, ny tombontsoa iombonana, ny tombontsoam-bahoaka, na ny mifanohitra amin' izany, ny tombontsoa manokana. Ireo filaharana samihafa ireo dia mety hifanipaka: izay tsara amin' ny sehatra iray dia mety tsy ho toy izany amin' ny sehatra hafa; lazaina fa olana amin' ny fisafidianana na fifanoheran-tombontsoa.