Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Transkaokazia

Avy amin'i Wikipedia
Sarin-tanin' ny faritraKaokazy

ITranskaokazia naKaokazy Atsimo dia faritra ara-jeôgrafia ao amin' ny tapany atsimon' iKaokazy, ahitana an' iJeôrjia sy iArmenia ary iAzerbaijana. Mamaritra azy avy ao avaratra iSiskaokazia naKaokazy Avaratra (fitambarana repoblika ara-poko ao amin' nyFederasiônan' i Rosia ankehitriny), ny mpifanolo-bodirindrina aminy ao atsimo dia iTorkia sy iIràna, ary manamorona azy ao andrefana nyRanomasina Mainty ary ao atsinanana nyRanomasina Kaspiana.

Nanomboka tamin' ny faran' ny taompolo 1980, ity faritra ity dia nitrangan' ny fifandonana teo amin' ny samy foko, indrindra fa tao amin' ny ôblasta mizaka tenan' iKarabaga Ambony teo amin' nyArmeniana sy nyAzery naAzerbaijaney, ary tanyAbkazia sy iÔsetia Atsimo (repoblika roa mpisara-bazana amin' iJeôrjia, izay ahitana ny tafika rosiana, indrindra tamin' ny taona 2008).

Ny fanjakana ao Transkaokazia dia manakaiky kokoa nyVondrona Eorôpeana tamin' ny nanatevenany ny Filankevitr' i Eorôpa tany am-piandohan' ny taompolo 2000. Tamin' ny taona 2005 ny Filankevitry ny Vondrona Eorôpeana dia nanapa-kevitra fa ilaina ny mampiditra azy ireo farafaharatsiny ao amin' ny Pôlitika Eorôpeana momba ny mpifanolo-bodirindrina.

Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Transkaokazia&oldid=1065050"

[8]ページ先頭

©2009-2026 Movatter.jp