Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Trômbônina

Avy amin'i Wikipedia
Trômbônina

Nytrômbonina diazavamaneno tsofina izay mamoaka feo rehefa mampihovitrovitra ny rivotra ao anatin' ilay zavamaneno ny molotra mitsoka sady mihovitrovitr' ilay mpilalao. Manana vatana miendrikavaringarina toy nytrompetra ny trômbônina, mifanohitra amin' nyzavamaneno varahimavo izay manana vatana miendrika ampahan-kitsoloha.

Ny teny hoe "trômbônina" dia avy amin' nyteny italianina hoetromba ("trompetra") sy -one (tovana midika hoe "lehibe"), noho izany dia midika hoe "trompetra lehibe" io anarana io.

Misy karazany roa ny trômbonina raha ny firafitry ny tenany no heverina, dia ny trômbonina misy korisa sy ny trômbonina misypistô nafitavoka. Saika ny trômbônina rehetra no mampiasa korisa - fa tsy fitavoka izay ampiasaina amin' ny zavamaneno varahimavo hafa - mba hanovaovana ny hahavon' ny feony hahazoana ny maripeo tiana havoaka. Tranga maningana ny trômbônina misy pistô, izay mampiasa pistô telo mitovy amin' ny an' ny trompetra. Anisan' ny zavamaneno tsofina vitsy izay tsy mila fahiza-mampiasa ny rantsantanana tsirairay ny trômbônina misy korisa.

Ny trômbônina mahazatra indrindra dia ny trômbônina tenôra sy ny trômbônina beso. Na ny trômbônina tenôra na ny trômbônina beso dia manana rejisitra ambany noho ny an' ny trompetra. Ny endriny lava sy miolika toy ny S ary indrindra ny fizaràna fantsona miendrikavaringarina, izay mahatonga azy hanana feo mazava kokoa, dia mampiavaka azy amin' nyeofôniôma na nysakshôrna izay manana rejisitra mitovitovy amin' ny azy sady mamoaka feo malefaka kokoa vokatry ny fantson' izy ireo miendrika ampahan-kitsoloha.

Ampiasaina amin' ny karazana mozika maro ny trômbônina, hatramin' ny mozika klasika ka hatramin' ny jazz, anisan' izany ny salsa, ny ska, ny funk na ny mozika miaramila, sns.

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Trômbônina&oldid=1094502"

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp