Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Aller au contenu
Wikipedia
Tadiavo

Tormalinina

Avy amin'i Wikipedia
Tormalinina avy anyBrezila

Nytormalinina dia vondronamineralysilikata kristalinina, vokatry ny fitambarana simika saro-drafitra sy miovaova indraindray, izay ahitana nybôra mifangaro amin' ny singa toy nyviraty, nyvy, nymaneziôma, nysôdiôma, nylitiôma, na nypôtasiôma sy ny maro hafa. Miseho amin' ny loko isan-karazany izy ka heverina hovatosoa rehefa mangarahara sy voapaika.

Ny singa fototra amin' ny tormalinina dia nysilisy sy nyviraty izay, amin' ny ampahany saika mifandanja, mahaforona ny telo ampahefatr' ilay rafitra. Ny ampahefany sisa dia ahitana ny asidra bôrika, nyôksida-na vy, ôksida-namanganezy, nymaneziôma, nysokay, soda,pôtasy ary nylitiôma, singa izay tsy voatery ho hita ao avokoa. Ny tormalinina, izay mafy kokoa noho nyvatokaranana (nakoartsa) fa malemy kokoa noho nytôpazy, dia manana hamafy 7 ka hatramin' ny 7,5 sy hakitroka 2,98 hatramin' ny 3,20.

Tormalinina mainty
Tormalinina hita tao amin' nydistrikan' Ambositra (faritra Amoron' i Mania,Madagasikara)

Ny fanjelany dia toy ny fitaratra. Matetika izy no manopy mainty, mainty-manja na mainty manopy manga. Misy ny karazany manga sy maitso ary mena. Tsy fahita firy ny karazana fotsy na tsy misy loko. Ny tormalinina mena dia fantatra amin' ny anarana hoerobelita, ny karazana manga hatsatra na manga-mainty amin' ny anarana hoeindigôlita.

Ny anarana hoetormalinina dia avy amin' nyteny singaley hoe ටෝරමල්ලි /tōramalli, izay manondro ny vatosoakôrnalinina.

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]
Faritra ahitana tormalinina betsaka
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Tormalinina&oldid=1085387"

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp