NyTorah (תּוֹרָה), izay midika hoe "lalàna", dia fitambaran' ny boky dimy voalohany ao amin' nyBaiboly amin' nyteny hebreo (Tanakh). Izy no fizaràna voalohany ao amin' ny Tanakh, eo alohan' nyNevi'im sy nyKetuvim. Indraindray dia atao hoe "Boky dimin' i Mosesy (na Môizy)" izy ireo. Ao amin' ny Baiboly kristiana dia ireto ireo boky ireo: nyGenesisy (naJenezy) sy nyEksôdosy (naEsaody) sy nyLevitikosy (naLevitika) sy nyNomery (naFanisana) ary nyDeoterônômia (naDeoterônômy). Ny fitambaran' ireo no tondroina koa amin' ny hoePentateoka ao amin' ny asasoratra kristiana.
NyTorah am-bava, izay atao amin' nyteny hebreo hoe תורה שבעל פה /Torah SheBe'al Pe, dia nyfoto-pampianarana sy ny tahirin-dahateny nampitaina am-bava ao amin' nyfivavahana jiosy, sy fanampin' ny "Torah voasoratra" (Lalàna voasoratra).
Araka ny finoan' nyjodaisma rabinika ny Torah am-bava dia tokony tsy hivaona amin' ny endriny voalohany tamin' ny nanolorana azy tanySinay (na Sinaia), ka noho izany dia mila olona mpamerimberina (hebreo: תנאים /Tannaim) izay miantoka ny fampitana ny fampianarana sy mamerina ny teny nampitana azy hatramin' ny voalohany. Mivoatra ny fivoasana ny Torah.
Am-bava tokoa io lovantsofina io tamboalohany, nefa taty aoriana dia nampandrina an-tsoratra amin' ny ampahany tamin' ny taonjato voalohany ao amin' nyMidrasa (hebreo: מִדְרָשׁ /Midrash) sy ao amin' nyMisna (hebreo: משנה /Mishnah) ary ao amin' nyTalmoda (hebreo: תַּלְמוּד /Talmud) sy ny Fifamaliana (hebreo: שאלות ותשובות /She'elot uTeshuvot) ary ny asa soratry nyRaby taty aoriana.