Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Toetanin-tanibe

Avy amin'i Wikipedia
Faritra manana toetanin-tanibe
Taiga anyAmerika Avaratra.
Fatrana anySiberia.

Nytoetanin-tanibe natoetanin-kôntinenta, amin' ny ankapobeny, diatoetany manana elanela-maripana isan-taona lehibe (mafanafana na mafana nyfahavaratra, fa mangatsiaka kosa nyririnina). Miseho any amin' ny faritra afovoany sy atsinanana amin' nykôntinenta telo avaratra (Amerika Avaratra syEorôpa aryAzia) ireo toetany ireo, matetika any amin' nylaharam-pehintany afovoany (40° ka hatramin' ny 55° na 60° avaratra), matetika ao anatin' ny tany midadasika, izay misy rivotra mitsoka an-tanety sy mitondrarotsa-drano, ary ny maripana dia tsy voafehin' nyranomasimbe. Miseho matetika any amin' nyIla-bolantany avaratra ny toetany kôntinentaly noho ny velaran-tany midadasika hita any. Ny ankamaroan' ny tapany avaratra-atsinanan' iSina, ny tapany atsinanana sy atsimo-atsinanan' iEorôpa, ny ampahany be amin' iRosia atsimon' nyfaribolan-tendrontany avaratra, ny afovoany sy ny atsimo-atsinanana amin' iKanada, ary ny afovoany sy avaratra-atsinanana amin' iEtazonia dia manana io karazana toetany io.

Ao amin' ny toetanin-tanibe dia antonony ny habetsahan' nyrotsa-drano (orana naoram-panala), indrindra amin' ny volana mafana. Faritra vitsivitsy monja — any amin' ny tendrombohitra any amin' ny tapany avaratra-andrefan' iAmerika Avaratra manamorona nyRanomasimbe Pasifika sy anyIràna, any amin' ny tapany avaratr' iIràka, any akaikin' iTorkia, anyAfganistàna, anyPakistàna, ary anyAzia Afovoany — no isehoan' ny rotsa-drano be indrindra amin' ny ririnina. Milatsaka amin' ny endrikaorampanala ny ampahany amin' ny rotsa-drano isan-taona, ary matetika no mijanona amin' ny tany mandritra ny iray volana mahery ny orampanala. Mety hahitanaoram-baratra sy hafanana ambony matetika ny fahavaratra ao amin' ny toetany kôntinentaly; na izany aza dia somary marin-toerana kokoa noho ny ririnina nyfizaràn-taona fahavaratra. Heverina ho karazanatoetany antonony ny toetanin-tanibe noho ny toerana misy azy any amin' ny faritra misy ny toetany antonony, saingy sokajina manokana tsy miaraka amin' ny toetany antony hafa izy ireo ao amin' ny fanasokajian-toetanin' i Köppen izay anondroana azy amin' ny literaD. Ao amin' ny fanasokajian-toetanin' i Trewartha izy ireo dia tondroina amin' ny alalan' ny litera roaDc.

Faritra misy ny toetanin-tanibe

[hanova |hanova ny fango]

Ny toetanin-tanibe dia miseho amin' ny ankapobeny any amin' nyila-bolantany avaratra, izay manana tany midadasika amin' ny laharam-pehintany mafana, ilaina amin' ny fivoaran' ity karazana toetany ity. Ny ampahany be amin' ny avaratra sy avaratra-atsinanana amin' iSina, ny atsinanana sy ny atsimo-atsinanana amin' iEorôpa Andrefana, ny avaratra-andrefana amin' iIràna, ny afovoany sy atsimo-atsinanana amin' iKanada, ary ny afovoany sy avaratra-atsinanana amin' iEtazonia dia manana io karazana toetany io.

Fombany

[hanova |hanova ny fango]

Any amin' ny toetanin-tanibe dia antonony amin' ny ankapobeny nyrotsa-drano, indrindra amin' ny volana mafana. Faritra vitsivitsy monja — any amin' ny tendrombohitra any amin' ny tapany avaratra-andrefana amin' iAmerika Avaratra sy anyIràna, any avaratra amin' iIràka, akaikin' iTorkia, anyAfganistàna, anyPakistàna, ary anyAzia Afovoany — no misy rotsa-drano be indrindra amin' ny ririnina. Milatsaka hoorampanala ny ampahany amin' ny tokony ho rotsak' orana isan-taona, ary matetika no mijanona amin' ny tany mandritra ny iray volana mahery ny orampanala. Mety hahitanaorambaratra sy hafanana matetika ny fahavaratra amin' ny toetanin-tanibe; na izany aza dia somary marin-toerana kokoa raha mitaha amin' ny ririnina ny fahavaratra.

Ny zavamananaina

[hanova |hanova ny fango]

Ny zavamaniry

[hanova |hanova ny fango]
Hazokesika

Miforona indrindra amin' ny alakônifera mafana sy ny ala mampiavaka ny faritra manodidina nytendrontany (taiga) ary koa ny tany lava volo anirin' ahitra sy nyfatrana ny zavamaniry voajanahary. Maniry any amin' ny faritra avaratra —- izay mahalava sy mampamirifiry ny ririnina ary mahafohy sy mangatsiatsiaka ny fahavaratra — ny taiga. Ala maitso mavana ny taiga, ka misongadina amin' izany nyhazokesika. Any amin' ny faritra atsimo izay tsy dia mangatsiaka sy mando, dia miseho ny tany lava volo ahitana ahitra avo, mampiavaka ny lemaka anatiny. Any amin' ny faritra mafana sy maina kokoa dia mivoatra nyfatrana, izay misy ahitra iva.

Biby

[hanova |hanova ny fango]
Ôrinaly

Henjana ny toetry ny andro amin' ny ririnina, ary tsy ny biby rehetra monina amin' izany tontolo iainana izany no mijanona amin' ny toerana misy azy amin' ny ririnina, ka mazàna nyvorona no mifindra monina any amin' ny faritra mafana kokoa, fa ny biby hafa kosa matory mandritra ny ririnina.

Orsa manja

Nyorsa manja (na bera manja), nylopa, nyamboahaolo, nymartra, nyvizôna, nykionkiona, ny rena, nydiera (naserfa) ary nyôrinaly no biby tena mampiavaka ny taiga.

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Toetanin-tanibe&oldid=1091555"

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp