Sarintany maneho ny faritra ara-toetany eto amin' izao tontolo izao.
Nytoetanin-jana-pehin-tany natoetany trôpikaly dia karazanatoetany hita eo anelanelan' nyzana-pehin-tany roa (zana-pehintany Asorotany syzana-pehintany Adijady) hatramin' ny fehin-tany faha-14 avaratra sy atsimo, izay manana sala-maripana isan-taona tsy latsaky ny 18° C mandritra ny taona.
Tokana nyfizaran-taona be orana, dia amin’ nyfahavaratra. Ambany dia ambany nyrotsak’ orana, izay tsy mihoatra ny 250 mm. Ambony dia ambony anefa nymaripana izay mety mahatratra eo anelanelan’ ny 40 °C sy 50 °C amin’ ny andro, nefa amin’ ny alina dia midina izany hafanana izany ka mety mangatsiaka tokoa. Amin’ ny faritra manandrify ny zana-pehin-tany roa dia misy ny atao hoeantisiklônina izay miteraka toetany mafana dia mafana sady maina tsy misy orana.