Nytoekarena[1] dia asa sy hetsika ataon'nyolombelona izay ahitana ny famokarana, ny fitsinjarana, ny fifanakalozana. ary ny fanjifana entana sy servisy. Maro samihafa ny rafi-pifanakalozana, ka ao anatin'izany ny toekarena fanomezana sy ny toekarenan-tsena ary ny toekarena takalo. Amin'ny ankapobeny dia faritana ho sehatrasôsialy manantitra ny fomba fanao sy ny lahateny ary ny fanehoana ara-materialy mifandray amin' ny famokarana sy ny fampiasana ary ny fitantanana ny loharanon-karena. Ny toekaren'nyfirenena iray dia andiana dingana ahitana nykolontsainy, nysoatoavina ao aminy, nyfanabeazana ao aminy, ny fivoaran'nyteknôlôjia ao aminy, nytantarany, ny fandaminana ara-tsôsialy ao aminy, ny rafitra ara-pôlitikany, ny lalàna ao aminy ary ny loharanon-karena voajanahary ao aminy. Ireo anton-javatra ireo dia manome tontolo sy vontoaty, ary mametraka ny fepetra sy ny mason-tsivana izay iodinan'ny toekarena iray. Raha lazaina amin'ny teny hafa, ny sehatra ara-toekarena dia sehatra ara-tsôsialy misy fifandraisan' ny fomba amam-panao sy ny fifampiraharahan' ny olombelona izay tsy mandeha irery.
Eo amin' ny rafitra ara-toekarena[2]isa-karazany, ny sasany, toy nykôminisma dia mifototra amin' ny fanaovana fananana iombonana ny fitaovam-pamokarana. Mifanohitra amin' izany kosa nykapitalisma izay mifototra amin' ny fanaovana fananan' olon-tsotra ny fitaovam-pamokarana.
Ao anatin' ny toekarena dia avahana ihany koa ny sehatry nyvarotra (izay ivarotana eny an-tsena ny famokarana), ny sehatry ny fanjakana, ny toekarena anatiny, ny toekarena sôsialy misy firaisankina na koa ny toekarena "ambanin' ny tany" izay tsy voafehin' ny andrim-panjakana ny asany.
Ny mpandraharaha ara-toekarena dia mety ho olon-tsotra, orinasa, fikambanana, nagovernemanta. Ny fifampiraharahana ara-toekarena dia mitranga rehefa misy vondrona na antoko roa manaiky ny vidin' ny entana na serivisy iray, izay matetika aseho amin' ny sandam-bola iray. Na izany aza, ampahany kely amin' ny sehatra ara-toekarena ihany ny fifanakalozana ara-bola.
Ny asa ara-toekarena dia atosiky ny famokarana izay mampiasa ny harena voajanahary sy ny asa ary ny renivola. Niova izany rehefa nandeha ny fotoana noho nyteknôlôjia, ny fanavaozana (vokatra, serivisy, dingana, fanitarana ny tsena, fampitomboana ny karazan' ny entana sy sevisy ao amin' ny tsena, tsena manokana, fampitomboana ny asan' ny fidiram-bola) ary fiovana eo amin' ny fifandraisana indostrialy (indrindra fa ny fampiasana zaza tsy ampy taona nosoloina any amin'ny faritra sasany amin' izao tontolo izao. miaraka amin' ny fidiran' ny rehetra amin' ny fianarana).
Ny toekarena dia halalinina ao amin'nysiansa ara-toekarena sy ao amin'ny siansa sôsialy hafa koa toy ny sôsiôlôjia ara-toekarena na ny antrôpôlôjia ara-toekarena.