Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Tetraôgala persiana

Avy amin'i Wikipedia

Nytetraôgala persiana natetraôganan' i Persia natetraôgala kaspiana (Tetraogallus caspius) dia karazana vorona ao amin' ny fianakavianaPhasianidae. Hita any any atsimo sy atsimo-atsinanan' nyRanomasina Kaspiana, any amin' ny tendrombohitra atsinanana amin' iTorkia, anyArmenia, anyAzerbaijàna, anyTorkmenistàna ary manerana ny TendrombohitraAlborz any avaratra amin' iIràna izy io. Miteraka any amin' ny haabo 1 800 hatramin’ ny 3 000 m eo amin' ny tany be vato misy kirihitra kely izy. Manao akany amin' ny tany tsy misy zavamaniry izy ary mametraka ny atodiny manopy maitso miisa 6 hatramin’ ny 9 ao anatin' izany, izay kotrehin’ ny vavy ihany. Ny sakafony dia voamadinika sy zavamaniry. Miaraka anaty andiany kely izy amin’ ny fotoana tsy anatodizany.

Mirefy 56 ka hatramin' ny 63 sm ny halavany, 95 ka hatramin' ny 105 sm ny halavan' ny elany ary 1,8 hatramin' ny 2,9 kg ny lanjany. Miloko volondavenona, volontsôkôlà, fotsy ary mainty ny volony, saingy toa volondavenona hatsatra rehefa tazanina lavitra ity vorona ity. Miloko volondavenona hatsatra ny tratrany, fotsy ny tendany ary misy fotsy eo amin’ny ilany hatoka, ary volondavenona matroka ny tendany.

Eo am-panidinana ity vorona malina ity dia mampiseho volo fotsy sy ambany rambony fotsy. Mitovy ny volon’ ny lahy sy ny vavy, saingy kely kokoa sy manjavozavo ny bikan' ireo mbola madininika. Misy karazany telo izay tsy mitovy fatran-dokom-bolo ity vorona ity, ka ny any amin' ny faritra andrefana mazavazava kokoa fa ny any antsinanana matroka kokoa.

Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Tetraôgala_persiana&oldid=1050423"

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp