Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Tetiandro hebreo

Avy amin'i Wikipedia
Tetiandro jiosy maneho ny volana Adara II tanelanelan' ny taona 1927 sy 1948.

NyTetiandro hebreo diatetiandro ampiasaina ao amin' nyfivavahana jiosy sy nyFanjakan'Israely amin'izao fotoana.Tetiandro manaraka ny fihodin' nyvolana sy nymasoandro ny tetiandro hebreo, ka ny iray volana dia miovaova ho 29 na 30 andro. Misy iray volana fanampiny izay atovana isaky ny telo taona satria tokony ho feno ny tsingerim-potoana 19 taona atao hoeTsingerin' i Metôna[1]. Avy amin' io tetiandro io no nahazoana ny tetiandro jiosy izay ampiasain' nyFanjakana Israeliana.

Mety ho 353 na 354 na 355 (raha tsy misy volana faha-13, izany hoe nyAdara faharoa) ny totalin' ny andro ao anatin' ny taona iray. Marihina fa ny salan' ny taona manaraka ny fihodin' nymasoandro dia maharitra 365 andro sy 1/4 eo ho eo.

Ny fizaràm-potoana ao amin' ny tetiandro hebreo

[hanova |hanova ny fango]

Manomboka amin' ny filentehan' nymasoandro ny andro iray. Manomboka amin' nyAlahady ary mifarana amin' nyAsabotsy nyherinandro. Manomboka amin' ny andro ahatsinanan' nyvolana ny iray volana (hebreo: חודש /hodesh). Misy 12 volana ny taona iray nefa isaky ny telo taona dia misy 13 volana.

Ny anaran' ny andro

[hanova |hanova ny fango]

Misy fito andro ny ao anatin' ny irayherinandro (hebreo: /shavu'a) amin' ny tetiandro hebreo. Manomboka amin' ny filentehan' nymasoandro izay iafaran' ny andro eo alohany fa tsy amin' ny misasak' alina ny andro hebreo iray. Tsy manana ny anarany manokana ny andro tsirairay fa antsoina amin' ny laharany ka ny mifanandrify amin' nyAlahady no andro voalohany ary ny mifanandrify amin' nyAsabotsy no andro fahafito. Ireto avy ireo anaran' andro na laharan' andro ao amin' ny herinandro ireo:

  1. Yom Rishon / יום ראשון‬ ("andro voalohany" - Alahady);
  2. Yom Sheni / יום שני‬ ("andro faharoa" - Alatsinainy);
  3. Yom Shlishi / יום שלישי‬ ("andro fahatelo" - Talata);
  4. Yom Reviʻi / יום רביעי‬ ("andro fahefatra" - Alarobia);
  5. Yom Khamishi / יום חמישי‬ ("andro fahadimy" - Alakamisy);
  6. Yom Shishi / יום ששי‬ ("andro fahenina" - Zoma);
  7. YomShabbat / יום שבת‬ ("andro fitsaharana" - Asabotsy).

NyYom Shabbat (יום שבת‬ ) dia azo hafohezina hoeShabbat (שבת) fotsiny na halavaina hoeYom Shabbat Kodesh (יום שבת קודש‬) izay midika hoe "andro fitsaharana masina".

Ny anaram-bolana

[hanova |hanova ny fango]

Ny anaram-bolana talohan' ny Fahababoana

[hanova |hanova ny fango]

Ao amin' nyBaiboly dia voalaza fa ny taona iray misy 12 volana araka ny hita ao amin' nyBoky voalohan' ny Mpanjaka sy nyBoky voalohan' ny Tantara (1Mpan. 4.7 sy 1Tant. 27.1-15) ary ny soratra ao amin' nyGenesisy dia hoatry ny milaza fa ny volana tsirairay dia misy 30 andro (Gen. 7.11; 8.3-4; 8.13-14). Hafa ny anaram-bolana nampiasain' nyHebreo talohan' nyfahababoana fa tsy mitovy amin' ny ampiasaina amin' izao fotoana izao. Amin' ny ankapobeny dia ny laharan' ny volana ao amin' ny taona no natao anaran' ny volana.

Misy anaram-bolana vitsy izay voalaza ao amin'ny Baiboly, dia ireo nogasina hoeAbiba (hebreo: אביב /Aviv naAbib),Ziva (hebreo: זיו / Ziv),Etanima (hebreo: אֵתָנִים /Ethanim) aryBola (hebreo: / Bul). Ny Abiba (Aviv) no volana voalohany, ny Ziva (Ziv) no faharoa, ny Etanima (Ethanim) no fahafito, ny Bola (Bul) no fahavalo. Heverina ho avy amin' ny anaram-bolana kananita izy ireo. Ny volanaAviv (midika ara-bakiteny hoe "lohataona") dia voaresaka ao amin' nyBokin' ny Eksôdôsy sy nyBokin' ny Deoterônômia (Eks. 12.2; 13.4; 23.15; 34.18; Deo. 16.1). Ny volanaZiv (midika ara-bakiteny hoe "fahazavana") dia voaresaka ao amin' nyBoky voalohan' ny Mpanjaka (1Mpan. 6.1; 6.37). Ny volanaEthanim (midika ara-bakiteny hoe "mahery", endrikamilaza maro) dia voaresaka ao amin' ny Boky voalohan' ny Mpanjaka (1Mpan. 8.2). Ny volanaBul dia voaresaka ao amin' ny Boky voalohan' ny Mpanjaka koa (1Mpan. 6.38).

Ny anaram-bolana taorian' ny Fahababoana

[hanova |hanova ny fango]

Ireto avy ny anaran' ny volana ao anatin' ny taona iray taorian' nyfahababoana izay heverina fa avy amin' nyanaram-bolana babilôniana (filaharana tsy ara-pivavahana):

  1. Tishri (hebreo: תשרי) manitsaka ny volana Septambra sy Ôktobra (30 andro);
  2. Heshvan (hebreo: חשון) manitsaka ny volana Ôktôbra sy Nôvambra (29 na 30 andro);
  3. Kislev (hebreo: כסלו) manitsaka ny volana Nôvambra sy Desambra (30 andro);
  4. Tevet (hebreo: טבת) manitsaka ny volana Desambra sy Janoary (29 andro);
  5. Shevat (hebreo: שבט) manitsaka ny volana Janoary sy Febroary (30 andro);
  6. Adar (hebreo: אדר א) manitsaka ny volana Febroary sy Marsa (29 andro);
  7. Nisan (hebreo: ניסן) manitsaka ny volana Marsa sy Avrily (30 andro);
  8. Iyar (hebreo: איר) manitsaka ny volana Avrily sy May (29 andro);
  9. Sivan (hebreo: סיון) manitsaka ny volana Mey sy Jona (30 andro);
  10. Tammuz (hebreo:תמוז) manitsaka ny volana Jona sy Jolay (29 andro);
  11. Av (hebreo: אב) manitsaka ny volana Jolay sy Aogositra (30 andro);
  12. Elul (hebreo: אלול) manitsaka ny volana Aogositra sy Septambra (29 andro).

Ao amin' ny Baiboly dia ny volanaNisana (Nisan) no voalohany ary nyAdara (Adar) no faha-12. Toy izao ny filaharan' ny volana ao anatin' ny taona (filaharana ara-pivavahana):

  1. Nisan
  2. Iyar
  3. Sivan
  4. Tammuz
  5. Av
  6. Elul
  7. Tishri
  8. Heshvan
  9. Kislev
  10. Tevet
  11. Shevat
  12. Adar

Raha ilaina ny hanampy iray volana dia ampianaAdarI (hebreo: 'אֲדָר ב /Adar Alep) izay apetraka ao aorian' nyShevat amin' nyAdarII (hebreo: 'אֲדָר ב /Adar Bet). NyAdarI izany dia volana faha-13 (misy 30 andro).

Fampitahana ny anaram-bolana babilôniana sy hebreo

[hanova |hanova ny fango]
123456789101112
BabilônianaNisanuAyaruSimanuDumuzuAbuUluluTashrituArakhsamnaKislimuTebetuShabatuAdaru
HebreoNisanIyar naIyyarSivan naSiwanTammuz naTamuzAv naAbElulTishriHeshvan naMarkheshvanKislev naKislewTevet naTebetShevat naShebatAdar

Ny fety jiosy araka ny tetiandro hebreo

[hanova |hanova ny fango]

Maromaro ireo andro ankalazain' nyJiosy naJody ka ny sasany efa natao araka ny voasoratra ao amin' nyTanakh fa ny sisa niforona taty aoriana. Ireto avy ireo fety jiosy ankalazaina isan-taona:

  • NyRosh ha-Shana (hebreo:רֹאשׁ הַשָּׁנָה "fiantombohan' ny taona" na יוֹם תְּרוּעָה‬ /Yom Teruah "androm-piantsoana"); ankalazana ny taom-baovao ivelan' ny fivavahana; ankalazaina amin' ny 1 sy 2Tishri (ny taom-baovaom-pivavahana dia ny 1Nisan);
  • NyYom Kippur (hebreo:יוֹם כִּיפּוּר‬ naיום הכיפורים /Yom ha-Kippurim "andron' ny famelan-keloka") anaovanafifadian-kanina syvavaka be; tanterahina amin' ny 10Tishri;
  • NySukkot (hebreo: חַג הַסֻּכּוֹת /Hag ha-Sukkot "fetin' ny trano lay" na "fetin' nytabernakely"); ahatsiarovana an-kafaliana ny nanampian' Andriamanitra nyZanak' i Isiraely tamin' nynivoahany avy any Ejipta sy iravoravoana amin' ny fahataperan' ny tsingerin' ny fotoam-pambolena amin' ny taona; ankalazaina manomboka amin' ny 15 hatramin' ny 21 (na 22)Tishri;
  • NyShemini Atseret (hebreo:שְׁמִינִי עֲצֶרֶת‬ "valo andro fivoriana" naיּוֹם הַשְּׁמִינִי עֲצֶרֶת /Yom ha-Shemini Atseret "fetim-pamaranana amin' ny fahavalo andro"); anombohan' ny fotoana irotsahan' ny rononorana aoIsraely; ankalazaina amin' ny 22Tishri;
  • NySimkhat Torah (hebreo: שמחת תורה/ "hafalian' ny Lalàna"); ankalazana nyTorah ("Lalàna") ka itondrana amin' ny filaharambe ny horonam-boky mirakitra azy; tanterahina amin' ny 22 sy 23Tishri;
  • NyKhanukka (hebreo: חג החנוכה /Hag ha-Khanukka "fetin' ny fanorenana"); ahatsiarovana ny fitokanana indray nyalitara naôtely fanaovam-panatira ao amin' nyTempoly faharoa aoJerosalema, tamin' ny fiverenana amin' ny fanompoam-pivavahana jiosy, telo taona taorian' ny nandraran' iAntiôkôsy IV (Seleokida) an' izany, manomboka amin' ny 25Kislev hatramin' ny 2Tevet;
  • NyTu bi-Shevat (hebreo: ט"ו בִּשְׁבָט na חֲמִשָּׁה עָשָׂר בִּשְׁבָט / "dimy ambin' ny folo andron' ny Shevat"); taom-baovaon' ny hazo; ankalazaina amin' ny 15Shevat;
  • NyPurim (hebreo: פּוּרִים /He-Purim); ahatsiarovana ny nanavotan' iEstera ny Jiosy tamin' ny fanenjehan' iHamana; ankalazaina amin' ny 14 (sy 15)Adar;
  • NyPesakh (hebreo: פֶּסַח) io noPaska jiosy; ahatsiarovana ny nandalovan' ny fahafatesana eny ambonin' ny tranon' ny Jiosy tany Ejipta ka tsy nahafaty ny voalohan-terany sady ahatsiarovana koa nyfivoahan' ny razany avy tamin' ny fanandevozana tany Ejipta; ankalazina manomboka amin' ny 15 hatramin' ny 22Nisan;
  • NyYom ha-Shoah (hebreo: יום השואה "andron' nyShoah"); ahatsiarovana ny fandripahanaJiosy nataon' ny fitondran' iHitler; ankalazaina amin' ny 28Nisan izany;
  • NyYom haTsikaron (hebreo: יוֹם הַזִּכָּרוֹן‬ "andro fahatsiarovana"); ahatsiarovana ny miaramila israeliana matin' ny ady sy ny asa fampihorohoroana; ankalazaina amin' ny 4Iyyar;
  • NyYom haAtzma’ut (hebreo: יום העצמאות "andron' ny fahaleovan-tena"); ahatsiarovana ny fiforonan' nyFanjakana Israeliana; ankalazaina amin' ny 5Iyyar;
  • NyLag baOmer (hebreo: לַ״ג בָּעוֹמֶר‎‎ "telo amby telopolo andro ao amin' ny Ômera") ankalazaina amin' ny 18Iyyar;
  • NyYom Yerushalayim (hebreo: יום ירושלים "andron' iJerosalema"); ahatsiarovana ny fanafahana sy ny nahazoan' ny tafika israeliana an' i Jerosalema tamin' ny taona 7 Jona 1967 (28Iyyar taona 5727) amin' ny 28Iyyar;
  • NyShavuot (hebreo: שבועות "herinandro") ankalazana ny fijinjana nyvarimbazaha sy ahatsiarovana ny nanomezan' Andriamanitra nyTorah tany an-tendrombohitraSinay; ankalazaina amin' ny 6Sivan.

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova |hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova |hanova ny fango]
  1. I Metôna dia filôzôfa grika velona tamin' ny taonjato faha-5.
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Tetiandro_hebreo&oldid=1117407"
Sokajy :

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp