Nyfiteny tiorka diafiteny tenenina anyTorkia, anyKipra, anyBolgaria, anyGrisia ary any amin' ny firenena hafan' nyEmpira Ôtômana, ary koa fiteny fampiasan' ireo mpifindra monina an-tapitrisany aoEorôpa, anyAzia Afovoany sy anyBalkana ary anyAtsinanana Afovoany. Atao hoeTürkçe naTürk dili ity fiteny ity amin' ny fiteny tiorka. Ao amin' nyfianakaviam-piteny torkika izy sy ny fiteny toy nyfiteny azery sy nyfiteny torkmena. Ankoatra an' i Torkia, ny fiteny tiorka dia ampiasaina ao amin' ny faritry ny Empira Ôtômana taloha, ampiasain’ ny mponina manam-piaviana ôtômana na tiorkika na vahoaka mozilmana izay nandray an' io fiteny io.
Ireo mpiteny tiorka ireo dia maro be any Bolgaria, any Gresy (indrindra any Thrace Andrefana), any amin' ny Balkana (Bôsnia-Herzegôvina sy Kôsôvô), any amin' ny tapany avaratry ny nosy Kipra (Repoblika Tiorka any avaratr' i Kipra), any avaratr' i Iràka (indrindra any Kirkuk), any Makedôia ary any Romania (amin' ny ankapobeny ao Dobrudja). Izany no mahatonga ny fiteny tiorka any Torkia antsoina hoefiteny tiorka ôsmanly nafiteny tiorka ôtômana (tiorka:Osmanlı Türkçesi).
Anisan' ireo fiteny ao amin' nyfianakaviana torkika izay ao amin' nyfianakaviamben' ny fiteny altaika ny fiteny tiorka.
Nosoratana tamin' ny alalan' nyabidy arabo ny fiteny tiorka nandritra ny arivo taona mahery (900-1928). Tamin' ny taona 1928 dia nosoloin' iMustafa Kemal Atatürk ho nyabidy latina ny abidy anoratana azy. Noheverin' ny governemanta tiorka fa nilaina izany fiovana izany mba hampitomboana ny tahan' ny olona mahay manoratra sy mamaky teny, satria noheverina fa sarotra ianarana ny abidy arabo tamin' izany fotoana izany. Nitombo be tokoa ny tahan' ireo olona mahay mamaky sy manoratra taorian' ny fiovana, avy any amin' ny 20 % izy dia lasa nitombo tany amin' ny 90 %.
Mifandray akaiky amin' nyfiteny azery sy amin' nyfiteny torkmena, nefa ny fiteny tiorka no fiteny be mpampiasa indrindra amin' nyfianakaviam-piteny altaika.
Ny fiteny tiorka môderna dia avy amin' ny fiteny nentin' nyTiorka Seljokida avy tanyAzia Minora tamin' ny taonjato faha-11. Indraindray antsoina hoefiteny anatôliana taloha io fiteny io izay lasa fitenin' nyEmpira Ôtômana, naorin' i Osman (amin' nyteny arabo, Othman, izay niavian' ny teny hoe Ôtômana) tamin' ny andron' nySeljokida tamin' ny taona 1300.
Ny fiteny tiorka dia nanampy voanteny sy fomba fandrafetam-pehezanteny nandritra ny taonjato maro avy amin' nyfiteny arabo sy nyfiteny persiana. Maro ny voanteny vahiny izay nosoloina voanteny tiorka vaovao noforonina. Ny fiteny tiorka dia fiteny manambatambatra hasiteny hanambaràna nyanjara asa ara-pitsipiteny. Mampiasa tovana. Ahitanarindran-janapeo ity fiteny ity.
Ny abidy tiorka dia avy amin' nyabidy latina, nanesorana litera sasany misy litera 29:A, B, C, Ç, D, E, F, G, Ğ, H, I, İ, J, K, L, M, N, O, Ö, P, R, S, Ş , T, U, Ü, V, Y aryZ. Ny teny nindramina ihany no ahitana ny literaQ syW aryX.
Misy litera dimy somary miavaka amin' ny litera latina mahazatra ao, dia nyĞ (g misy tendro satroka mivadika),I (i tsy misy teboka), İ (i tsy ialan-teboka),Ö (o misy tendro roa),Ş (s misy kavina ambany) aryÜ (u misy tendro roa). Amin' ny ankapobeny dia tsy miova fanonona ny litera tsirairay ao amin' ity abidy ity, tsy tahaka ny litera ao amin' ny abidy anoratana nyteny anglisy, ohatra.
Sora-baventy | Sora-madinika | Anarany | Famakiana ny anarany | Fanononana ny litera | Fanamarihana |
A | a | a | /aː/ | /a/ | |
B | b | be | /beː/ | /b/ | |
C | c | ce | /d͡ʒeː/ | /d͡ʒ/ | Sahala amin’nydj |
Ç | ç | çe | /t͡ʃeː/ | /t͡ʃ/ | Sahala amin’nytch frantsay |
D | d | de | /deː/ | /d/ | |
E | e | e | /eː/ | /e/ | |
F | f | fe | /feː/ | /f/ | |
G | g | ge | /ɟeː/ | /ɡ/, /ɟ/ | |
Ğ | ğ | yumuşak ge | /jumuˈʃak ɟeː/ | [ː], [.], [j] (/ɰ/) | |
H | h | he, ha, haş | /heː/, /haː/ | /h/ | |
I | ı | ı | /ɯː/ | /ɯ/ | |
İ | i | i | /iː/ | /i/ | |
J | j | je | /ʒeː/ | /ʒ/ | |
K | k | ke, ka | /ceː/, /kaː/ | /k/, /c/ | |
L | l | le | /leː/ | /ɫ/, /l/ | |
M | m | me | /meː/ | /m/ | |
N | n | ne | /neː/ | /n/ | |
O | o | o | /oː/ | /o/ | |
Ö | ö | ö | /œː/ | /œ/ | |
P | p | pe | /peː/ | /p/ | |
R | r | re | /ɾeː/ | /ɾ/ | |
S | s | se | /seː/ | /s/ | |
Ş | ş | şe | /ʃeː/ | /ʃ/ | |
T | t | te | /teː/ | /t/ | |
U | u | u | /uː/ | /u/ | |
Ü | ü | ü | /yː/ | /y/ | |
V | v | ve | /veː/ | /v/ | |
Y | y | ye | /jeː/ | /j/ | |
Z | z | ze | /zeː/ | /z/ | |
Q | q | kû, kü | /cuː/, /cyː/ | — | |
W | w | çift ve | /t͡ʃift veː/ | — | |
X | x | iks | /ics/ | — | |
 | I Wikimedia Commons dia manana aino aman-jery mikasika an'i :Fiteny tiorka |