IOraly naTendrombohitra Oraly diatandavan-tendrombohitra aoRosia izay manana halava 2 000 km any ho any, avy any amin'ny Ranomasin'i Kara ao avaratra hatrany amin'ny zavamaniry zenin'iKazakstàna ao atsimo. I Oraly no heverina fa mamaritra ny sisin-tany ara-jeografia manasaraka an'iEorôpa amin'iAzia.
Ny vohon-tanin'i Oraly izay tena lanin'ny kaoka dia misy mahatratra 1 894 m. Io tangoron-tendrombihitra io dia mizara ho zana-bondrona na zana-paritra maro avy any varatra mianatsimo (fikitoantoan'ny vohon'ny tany, zavamaniry, toetany) izay mifangarika sady matetika toy tendrombohitra avo na dia eo aza ny faha tranain'io tangoron-tendrombohitra io. Noho izany dia misy i Oraly Atsimo, i Oraly Afovoany, i Oraly Avaratra, i Oraly Akaiky Tendrontany ary i Oraly An-Tendrontany.