Nytaona dia fotoana aharetan' ny tsingerim-pihodin' nyTany amin' nyMasoandro na tsingerim-potoana mifandraika amin' ny fitsingerenan' ny fizaran-taona iray ka manodidina ny 12 tsingerim-bolana eo ho eo izany. Miankina amin' ny zavatra eny amin' ny lanitra atao fiaingana ny refin' io faharetana io, ka maro noho izany ny famaritana ny atao hoe "taona".
Araka nytetiandro ampiasaina dia misy 12volana amin' ny ankapobeny ny ao anaty taona iray nefa misy tsindraindray taona ahitana 13 volana. Noho ny fahatsapana ny fahataran' ny tetiandro miohatra amin' ny zava-miseho eo amin' ny natiora (fizaran-taona, tsingerim-bolana, fanirin' ny zava-maniry, sns) no antony anampiana volana iray faha-13 ny taona sasany. Izany, ohatra, no mitranga amin' nytetiandro hebreo izay tsy toy ny tetiandromiozolmana.
Ny ao anatin' ny iray taona, arakaraka ny tetiandro ampiasaina, dia ahitana andro izay matetika miisa mihoatra ny 300 ka ny farany ambony mety hihoatra ny 370 andro. Ny tsy fitovizan' ny isan' nyandro anatin' ny volana iray arakaraka ny tetiandro arahina no mahatonga izany. Nisy ihany ny taona nahitana andro miisa latsaky ny 300 toy nytetiandro rômana.
Misy 365,25 andro ny salam-paharetan' ny iray taona ao amin' nytetiandro joliana nefa nihoatra 3 andro izany isaky ny taonjato 4 raha ampitahaina amin' ny tsingerim-pihodinan' ny Tany amin' ny Masoandro, ka nahatonga ny fihoarana 10 andro eo ho eo tamin' ny taonjato faha-16 izay nitarika ho amin' ny fampiasana nytetiandro gregôriana tamin' ny fanitsiana azy tamin' ny taona 1582 faha-papaGregôrio XIII.
Ny taona iray ao amin' ny tetiandro gregôriana, ilay ampiasain' ny ankamaroan' ny olona amin' izao fotoana izao, dia misy 365 andro amin' ny telo taona mifanarakaraka ka misy 28 andro ny volanaFebroary, fa 366 andro kosa isaky ny efa-taona izay mampisy 29 andro ny volana Febroary. Izany dia atao mba hahatonga ny efa-taona hisy 1461 andro. Ny anaran' ny taona iray, amin' ny maha daty azy, dia ny laharany nifanarahana ihany. Ny ankamaroan' ny firenena eto an-tany, izay mampiasa ny tetiandro gregoriana, dia efa samy nanitsaka ny taona faha-2017 tamin' ny taona 2017.
Maharitra 354,3670584 andro ny salam-paharetan' ny taona iray ao amin' ny tetiandro manara-bolana, nefa noho ny taona tsirairay izay tokony hisy andro feno dia maharitra 354 na 355 andro izany, izany hoe latsaka 10 na 11 andro raha mitaha amin' ny taona amin' ny tetiandro gregôriana.
Nytetiandro silamo anefa dia teo amin' ny taona faha-1438 tamin' io taona 2017 gregôriana io. Manampy izany tsy fifanadrifiana izany koa ny tsy fitovizan' ny isan' ny andro ao amin' ny taonan' ny tetiandro tsirairay. Ohatra, ny taona mozilmana iray dia misy 354 na 355 andro nefa ny taona gregôriana misy 365 na 366 andro.
Ao amin' nytetiandro malagasy manara-bolana dia misy 354 na 355 andro ny taona malagasy manara-bolana, ka latsaka 11 na 12 andro izany raha mitaha amin' ny taona ao amin' ny tetiandro gregôriana. Izany hoe ny iray taona gregôriana dia misy 12 volana malagasy miampy 10 na 11 na 12 andro.
Misy 12 volana ny iray taona nefa indraindray dia mitombo 13. Mba hanakekezana kokoa ny tsingerim-pihodinan' ny Tany amin' ny Masoandro, izay tsapa amin' ny alalan' ny zava-mitranga (eo amin' nyzava-manana aina na nytoetrandro) miankina amin' ny tsingerin' nyfizaran-taona sy ny toeran' nykintana sy nyantokon-kintana eny amin' ny lanitra, dia anatsofohana iray volana fanampiny (volana faha-13) isaky ny telo taona eo ny tetiandro manara-bolana sy masoandro. Noho izany misy ireo tetiandro ampiasana ny fifandraisan' ny telo taona amin' ny 37 volana na ny 19 taona amin' ny 235 volana (ity no atao hoe "Tsingerin' i Metôna").
Misy ny tetiandro malagasy tsy tena manara-bolana fa manara-bolana sy masoandro izay mampifanandrify ny volanaAlahamady amin' ny fari-potoana ao amin' ny volanaMarsa syAvrily. Misy 354 na 355 ny iray taona nefa mety ho lasa 383 na 384 na 385 izany vokatry ny fampifanandrifiana ny fiantombohan' ny volanaAlahamady amin' ny tsinam-bolana akaiky ny 21 Marsa.
Misy roa ambin' ny folovolana ny ao anatin' ny taona iray. Manampyvolana iray fahatelo ambin' ny folo ny tetiandro sasany toy nytetiandro hebreo.
Amin' nyteny malagasy dia indreto ny anaram-bolana ao amin' nytetiandro gregôriana:Janoary,Febroary,Marsa,Avrily,Mey,Jona,Jolay,Aogositra,Septambra,Ôktôbra,Nôvambra aryDesambra.
Indreto nyanaram-bolana malagasy avy amin' ny fanandroana arabo izay ampiasaina koa amin' nyfanandroana malagasy:Alahamady -Adaoro -Adizaoza -Asorotany -Alahasaty -Asombola - Adimizana -Alakarabo -Alakaosy -Adijady -Adalo -Alohotsy
Misy herinandro 52 miampy andro iray (na roa) ny ao anatin' ny taona iray ao amin' nytetiandro gregôriana.