NyTany (marika:) diaplaneta fahatelo raha ny elanelany amin'nyMasoandro no heverina ary fahadimy lehibe indrindra ao amin'ny rafi-masoandro eo amin' nylanjany (59741024 kg eo ho eo) sy nysavaivony (eo ho eo amin'ny 6371 km eo ho eo). Izy irery ankehitriny no fantatra fa onenan-javamananaina. Niforona tamin'ny 4,5 lavitrisa taona lasa ny Tany; anisan'ny planeta vato eto amin'nyRafitry ny Masoandro izy io, ny telo hafa dia iMerkiora sy iVenosy ary iMarsa. Ny ankoatr' izay dia planetaetona. Mihodina amin' nyMasoandro ny tany ka ny lanja lehiben' ny Masoandro no miteraka izany, tahaka ny lanja lehiben' ny Tany izay mampihodina nyVolana manodidina azy. Ny isan' nyandro ihodinan' ny Tany[1]amin'ny Masoandro dia 365,25 eo ho eo: izany no antsoina hoe herintaona. Araka ny fanomezana daty radiômetrika, ny Tany dia niforona 4,54lavitrisa taona lasa. Manana satelita tokana izy io, dia nyVolana, izay niforona fotoana fohy taorian' izay. Ny isan' ny andro ihodinan'ny Volana amin' ny Tany dia 27,33 andro: izany no niavian' ny hoevolana anondroana fotoana. Mihodina amin'ny tenany ihany koa ny Tany raha oharina amin' nyMasoandro ao anatin' ny andro iray (eo ho eo amin' ny 23 ora 56 mn 04 s). Mitongilana 23° nyteza fihodinan' ny Tany, izay mahatonga nyfizaràn-taona (lohataona,fahavaratra,fararano aryririnina). Ny fifanintonana miteraka fihodinana eo amin' ny Volana no miteraka nyaka sy nyfamonta (fihemorana sy fisondritan' ny haavon' nyranomasina sy ny zavatra hafa), sady mahamarin-toerana ny teza fihodinany ary mampihena tsikelikely ny hafainganan' ny fihodinany.
Manana velarana mirefy 510067420 km2 ny Tany. Ny Tany no planeta tena ahitanarano mikoriana eto amin'ny Rafitry ny Masoandro, ary 71% amin' ny velarany manontolo no misy izany. Izay koa no iantsoana ny Tany ho "planeta manga". Eto amin' ny Tany dia ahitana karazana zavamananaina eo amin' ny 14 tapitrisa eo ho eo. Eo amboniny no tena iainan' ny ankamaroan' izy ireo, ary misy ihany koa ny karazan-javamananaina any ambanin' ny tany. Niova be ny zavamananaina teto an-tany. Ohatra, tany am-boalohany, ny sianôbakteria dia nanova ny soson-drivotra iainana sy nanomeôksizenina. Ny fiainana dia niseho voalohany tany an-dranomasina, fara fahakeliny 3,5 lavitrisa taona lasa izay, izay nisy fiantraikany tamin' ny atmôsfera sy ny etỳ ambonin' ny tany noho ny fihanaky ny zavamananaina, voalohany anaerôbika (tsy miladiôksizenina O2) sy noho ny fipoirana tampoky ny zavamananaina maro sela (metazôera, niteraka ny fitomboan' ny sokajy sy karazan-javamananainabiby syzavamaniry, arybakteria) izay miaina amin' ny diôksizenina. Ny fitambaran' ny anton-javatra toy ny halaviran' ny Tany amin' ny Masoandro (150 tapitrisa kilômetatra eo ho eo), ny atmôsferany, ny sosonaôzônina, ny sahan' andriambiny ary ny fivoarany ara-jeôlôjia no nahatonga nyfiainana hivoatra sy handroso. Nandritra ny tantaran' nyevôlisiôna (fivoarana miandalana) teo amin' ny fiainana, ny zavamananaina isankarazany dia niaina vanim-potoana fielezana izay nisehoana faharinganana faobe tsindraindray; eo ho eo amin' ny 99% amin' ny karazana niaina teto an-tany dia efa lany tamingana ankehitriny. Amin' ny taona 2023 dia maherin' ny 8 lavitrisa ny olona miaina eto an-tany ary miankina amin' ny biôsfera sy ny harena voajanahary ao aminy ny fahavelomany.
Ny Tany no planetamakitroka indrindra ao amin' ny rafi-masoandro ary izy no lehibe indrindra sy mavesatra indrindra amin' ireo planeta vato sy metaly efatra. Ny fonony henjana - antsoina hoe litôsfera - dia mizara ho takelaka tektônika samihafa izay mikisaka santimetatra vitsivitsy isan-taona. Manodidina ny 71% amin' ny velaran' ny Tany dia rakotrarano - indrindraranomasina, fa ao koa nyfarihy sy nyrenirano, izay mamorona ny hidrôsfera - ary ny 29% sisa diakôntinenta synosy. Rakotra ranomandry ny ankamaroan' ny faritry nytendrontany s yny manodidinna azy, indrindra fa ny ranomandry anyAntarktika sy ny ranomandry makadiry any amin' nyRanomasimbe Arktika. Ny rafitra anatiny ao amin' ny Tany dia mihetsika, ny vihy mivaingana ao anatiny sy ny vihy ranoka ivelany (samy foroninavy indrindraindrindra) ka mahatonga azy io hamokarana sahan' andriamby vokatry ny fihetsehany anaty sy ny fahasamihafan-kafana eo amin' ny akanjon' ny Tany (foronin' vato misysilikata) izay miteraka ny tektônikan' ny takelaka.
Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'nyfanitarana azy. Jereo koa ny pejyAhoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.