NyTanakh,Tanak naThanak izay atao hoe koaBaibolyhebreo dia fitambaran' ny boky mitovy amin' izay hita ao amin' nyTestamenta Taloha araka ny lisitry ny boky ao amin' nyBaiboly prôtestanta, ka ampiasaina ao amin' ny fivavahana jiosy (jodaisma). Mizara telo lehibe ny Tanakh, dia nyTorah ("lalàna") sy nyNevi'im ("Mpaminany") ary nyKetûvim ("Soratra").
Ny teny hoeTanakh (תַּנַ"ךְ),Thanak naTanak dia fanafohezana ny andian-teny hebreo hoe:
Tôrah (תּוֹרָה) sy
Nevi'im (נְבִיאִים) ary
Ketûvim (כְּתוּבִים).
Ireo dia manondro ny fizaràna telo hita ao amin' ny Baiboly hebreo. Ny hoeTôrah dia azo adika hoe "lalàna"; nyNevi'im (naNebi'im) dia azo adika hoe "mpaminany (maro)" ary ny hoeKetûvim (naKetûbim) dia azo adika hoe "soratra (maro)".
Mizara telo ny Tanakh, dia nyTôrah ("lalàna") sy nyNevi'im ("mpaminany") ary nyKetuvim ("soratra"). Tsy mifanandrify tanteraka amin' ny fizaràn' ny Kristiana ny Testamenta Taloha izany. Misy boky 24 ny ao amin' ny Tanakh. Ny boky iray ao amin' ny Tanakh dia mety hisaraka roa na maro ao amin' ny Baiboly kristiana. Ao amin' ny Torah ihany izany no tsy mitranga. Ny anaran' ireo boky ao amin' ny Tanakh dia manomboka amin' ny teny hebreo hoeSefer izay adika hoe "boky" na "horonana" ("horonam-boky").
NyTorah (תּוֹרָה "Lalàna") dia ahitana boky dimy, ireo atao hoeBoky dimin' i Mosesy. Toy izao avy ny anaran' ireo boky ireo amin' ny teny hebreo ary ny fifanandrifian' ny anarana ao amin' ny Torah sy nyPentateoka:
Sefer Bereshit (בראשית "Tamin' ny Voalohany"):Genesisy (naJenezy)
Sefer Shemot (שמות "Anarana"):Eksôdôsy (naEksaody)
Sefer Vayikra (ויקרא "Ary niantso izy"):Levitikosy (naLevitika)
Sefer Bemidbar (במדבר "Ao an-tany efitra"):Nomery (naFanisana)
Sefer Devarim (דברים "Teny") :Deoterônômia (naDeoterônômy)