Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Aller au contenu
Wikipedia
Tadiavo

Tabriz

Avy amin'i Wikipedia

38°04′48″N46°17′31″E / 38.080000°N 46.291900°E /38.080000; 46.291900

Tabriz
VelarantanyNC
Isam-ponina1 424 641 mponina
Tanànan-dehibeNC
Ben'ny tanànaNC
Firenena Iran
FaritanyAzerbaijàna Atsinanana
FaritraNC

ITabriz dia tanàna ao amin' nyfaritanin' i Azerbaijàna Atsinanana, ao amin' ny faritra avaratra-andrefana amin' iIràna, eo amin' ny lalan' ny renirano Talkheh, akaikin' nyfarihy Urmia. Any amin' ny haavo 1 370 m ambonin’ ny ranomasina no misy azy, izay ivo-toeran' ny taozavabaventy (fanamboarana fitaovana mekanika sy fitaovana mandeha amin' ny herinaratra, asa hoditra, fanadiovanasolitany), sy ny raharaham-barotra ho an’ ny vokatra avy amin' ny faritra fambolena manodidina, ary koa fihaonan-dalana sy fihaonan’ nylalamby. Ao no misy ny Môskea Manga (Masjed-e Kabūd) mahatalanjona, niorina tamin' ny taonjato faha-15, sy ny toerana mimanda naorina tamin' ny taonjato faha-14. Foibe ara-kolontsaina io tanàna io izay manana oniversite niorina tamin’ ny taona 1949.

I Tabriz ankehitriny dia naorina eo amin' ny toerana nisy an’ i Tauris (na Turus) fahiny, tanàna voaaro manda an' i Iràna fahiny. Simba be i Tabriz nandritra ny taonjato maro noho nyhorohoron-tany, indrindra fa tamin' ny taona 858 sy 1041 ary 1721, ary ireo koa vokatry ny natan' nyIlkanida sy nyMôngôliana ary nySafavida nifandimby nanani-bohitra. Nobodoin' ny tafikarosiana ilay tanàna tamin’ ny taona 1827 sy 1828 ary tamin' ny 1946 izy no toeran' ny Repoblika Demôkratikan' i Azerbaijàna naharitra ela.

Jeôgrafia

[hanova |hanova ny fango]

Ny isan' ny mponina dia 1 424 641 tamin' ny taona 2015[1], fa 1 558 693 kosa izany tamin' ny taona 2016.

Toetany

[hanova |hanova ny fango]
Misy zavatra tsy ampy anatin'ity fizaràna ity. Ilainamandray anjara ianao !

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]

Tsiahy

[hanova |hanova ny fango]
  1. Iràna ao amin'i geonames.org, novangiana ny 9/ 3/2019
Mbolaambangovangony  amin'ny resakaIràna ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'nyfanitarana azy.
Jereo koa ny pejyAhoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Tabriz&oldid=1075923"
Sokajy :

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp