Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Aller au contenu
Wikipedia
Tadiavo

Stroktoralisma

Avy amin'i Wikipedia

Nystroktoralisma dia fitambarana fisainana manao ny zava-miseho anaovana fikarohana ho vondrona tokana tsy azo zarazaraina, izay niseho indrindra tamin' ny siansan' ny maha-olona sy fiarahamonina tamin' ny tapaky ny taonjato faha-20, miaraka amin' ny fampiasana ny teny hoerafitra (structure) izay takarina ho môdely teôrika (tsy mahatsiaro tena na tsy azo tsapain-tanana) mandamina ny endriky ny zavatra dinihina ho toy ny rafitra. Ny fanantitranterana dia kely kokoa amin' ireo singa fototra amin' ity rafitra ity raha mitaha amin' ny fifandraisana izay mampiray azy ireo.

Raha ny amin' ny famaritana dia tsy miray ny firehana maro, nefa voalamina tsikelikely izany tamin' ny fanorenana ny siansan' ny maha olona sy fiarahamonina nanomboka tamin' ny faran' ny taonjato faha-20 teo amin' ny firehanapôzitivista; nijanona ho andraikitry nyhaiteny sy nyhaifeo izy io mandra-pahatongan' ny fampiasana azy ankapobeny taorian' ny taona 1945.

Ny famariparitana ny fetra ara-tsainan' ny stroktoralisma taorian' ny taona 1945 dia lasa sehatra fikarohana mahaleo tena feno sy saro-drafitra ary mivoatra, miaraka amin' ny fahasamihafana lehibe arakaraka ny firenena sy ny taranja akademika. Ny teny hoestroktoralisma dia mazàna manondro ny hetsi-kevitra maro taranja an' ny Frantsay indrindraindrindra nanomboka tamin' ny taona 1950 ka hatramin' ny taona 1970 izay voamariky ny finiavany ho amin' ny fisarahana ara-tsaina, ny fandavany ny lafiny ara-tantara sy ara-potoana ary ny fananterana ny endrika momba ny atao hoe rafitra; ity "fotoana ara-drafitra" ity, izay tena aingam-panahy avy amin' ny haitenin' iSaussure, dia nihoatra ny sisintanin' ny anjerimanontolo ka nanafika ny sehatry ny literatiora sy ny an' ny filazàm-baovao ary an' nypôlitika. Izy io dia voalamina manodidina ireo olo-malaza vitsivitsy toa an' iClaude Lévi-Strauss eo amin' ny sehatry nyantrôpôlôjia, iRoland Barthes eo amin' ny sehatry nyliteratiora, iJacques Lacan eo amin' ny sehatry nypsikanalizy, iMichel Foucault ary iLouis Althusser eo amin' ny sehatry nyfilôzôfia.

Na izany aza, ny hamaroan' ireo taranja voakasika sy ny fomba fiasa dia maneho ny maha-samihafa an' io famaritana mahazatra io, ary ny mpanoratra sasany (toa an' iJean Piaget eo amin' ny sehatry nypsikôlôjia, iJean Petitot eo amin' ny sehatry nyepistemôlôjia) dia nisafidy ny fampidirana ny stroktoralisma amin' ny tantaran' ny hevitra siantifika nandritra ny fotoana ela, amin' ny maha fisehoan' nyteôrian' ny fahalalana amin' izao fotoana izao, miaraka amin' ny tetiarana miverina amin' nyfilôzôfian' ny endrika novelarin' iAristôty.

Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Stroktoralisma&oldid=1041574"

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp