ISrilanka naSri Lanka dia firenena aoAzia Atsimo, ao amin’ nyRanomasimbe Indiana. Ny anarany ôfisialy hatry ny 22 Mey 1972 diaRepoblika Demôkratika Sôsialistan' i Srilanka. 31 km any atsimo-atsinanan' iIndia no misy azy, 20 tapitrisa eo ho eo ny isan' ny mponiny, izay manana fiaviana, finoana, fiteny ary fomba samihafa.
I Srilanka dia manana fiteny ôfisialy roa, dia nyfiteny singaley sy nyfiteny tamily. Ny voalohany no tena ampiasaina any Srilanka, satria 73,8 %n' ny mponina no mampiasa ny fiteny singaley, fa 13,9 % monja no mampiasa nyfiteny tamily. Ny pôlitikan' i Srilanka anefa dia sarotsarotiny amin' ny fampiasana sy ny fampianarana ny fiteny tamily. Amin' ny farany, ny mpiteny tamily dia tsy maintsy mahay miteny singaley alohan' ny mandefa fangatahana any amin' ny fandrindrana. Io fanavakavaha ara-piteny io dia tsy misy lalandava, fa maharitra eo amin' ny ara-pivavahana amin' ny alalan' ny fiteny tamily (anatin' ny fivavahany, ilaina ny fiteny tamily, tahaka nyfiteny latina ho an' ny Katôlika).
Firenena be tendrombohitra i Srilanka. Ny tangoron-tendrombohitra ao amin’ ny tapany afovoany-atsimo dia ahitana tendrombohitra manana haambo mahatratra 2 524 m; avy ao ny ankamaroan’ ny loharano ao amin’ ilay nosy. Toetanim-pehibe mafana sy mando ny toetany any ka be dia be ny karazan-javamaniry sy ny karazam-biby hita any.
Nyfiteny tamily srilankey dia ampiasain' ny Tamily srilankey teratany ao amin' io nosy io, fa ny fiteny tamily indiana dia fitenin' ny Tamily mpifindra monina sady fitenin' ny ankamaroan' ny Maoro srilankey izay avy anyTamil Nadu izay fanjakana anyIndia mifanila aminy. Araka ny fanisana tamin' ny taona 2012 dia ny 28,5 %n' ny Srilankey ny mpiteny tamily.
Manodidina ny 300 amin' nyVedà, izay zara raha 2 500 ny fitambarany tamin' ny 2002, no miteny nyfiteny vedà, izay iadian-kevitra ny niaviany. Tsy fanta-piaviana ny fiteny nipoiran' ny fiteny veda.
Nyfiteny anglisy ao Srilanka dia voafehin' ny 23,8 % eo ho eo amin' ny mponina araka ny fanisam-bahoaka tamin' ny taona 2012, ary ampiasaina betsaka amin' ny raharaha ôfisialy sy amin' ny varotra.
Nyfiteny frantsay, aorian' ny fiteny anglisy, dia mijanona ho fiteny vahiny faharoa ampianarina ary nitombo 30 % ny isan' ny mpianatra amin' ny fampianarana ambaratonga voalohany sy faharoa teo anelanelan' ny taona 2010 sy 2014.
Vitsivitsy amin' ireo olona 3 400 avy amin' ny fiaviana pôrtogey no mitenykreôla pôrtogey srilankey. Nanjavona hatramin' ny taona 1920 ny kreôla an' ireo Pôrtogey mpanjanatany teo aloha (zanatany pôrtogey mantsy i Srilanka tamin' ny taona 1505 ka hatramin' ny 1658).
Fiteny avy any amin' ny faritra hafa any Azia sy ny manodidina
Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'nyfanitarana azy. Jereo koa ny pejyAhoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.