Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Sorinama

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' i Sorinama
Toerana misy an' i Sorinama eto amin' izao tontolo izao

ISorinama naSorinamy dia firenena aoAmerika Atsimo manana morontsiraka ao amin' nyRanomasimbe Atlantika. IParamaribo no renivohiny sady tanàna lehibe indrindra any. Ny faritr' ora dia -3. Mirefy 163 821 km2 ny velarany ary miisa 566 846 ny mponina ao aminy araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2013.

Firenena mifanolo-bodirindrina

[hanova |hanova ny fango]
Sarin-tanin' i Sorinama

Sorinamea dia eo anelanelan'iGoiana syGoiana Frantsay eo amin'ny morontsiraka Atlantika Amerika Atsimo.Manamorona an'iBrezila any atsimo ny firenena

Mponina

[hanova |hanova ny fango]

Misy vondrom-poko maromaro ny ao Sorinama: nyIndô-Pakistaney (mihoatra ny 27.4 %), nyKreôla (mahery kelin' ny 21,7 %), nyIndôneziana (13.7 %) ary nyAfrikana mainty hoditra (15.7 %), 13,4% eo ho eo, 7,6% ny vondrona hafa, toy ny Sinoa, Arabo (Kristianina Syriana, Palestiniana ary Libaney), Eoropeana ary vazimba teratany.

Nyhindoisma sy nykristianisma ary nysilamo no fivavahana be mpanaraka any.

Ny vohon-tanin' i Sorinama dia ahitanalemaka amorontsiraka behonahona any avaratra, sylembalemba ao afovoan-tany, ary faritra betendrombohitra rakotra ala mikitroka any atsimo. Renirano maro no mamakivaky an' ity firenena ity.

Zanatany neerlandey taloha i Sorinama izay nahazo ny fahalevan-tenany tamin' ny taona 1975.

Toekarena

[hanova |hanova ny fango]

Ankapobeny: Tamin'ny fotoan'ny fanjanahantany, Sorinama angamba no zanatany fambolen-kazo nahazo tombony be indrindra tanyNederlandy, ary naondrana indrindra nysiramamy.

Ankoatra nyvolamena dia aondrana ihany koa ny menaka mineraly, nysolika, nyhazo, nyvary, nyakondro ary nytrondro.

Mandra-pahatongan'ny taona 2015 dia nanana anjara fanondranana lehibe nybaoksita.

Ny harin-karena faobe isan-kapita dia 6.333 dolara amerikana tamin'ny taona 2016, izay mametraka ny haavon'ny fanambinana eo amin'ny faritra afovoany amin'ireo firenena anyAmerika Atsimo.

Namokatra ambim-bola tokony ho 1,2 lavitrisa dolara teo anelanelan'ny taona 2004 sy 2008 i Sorinama. Ny akoravolamena,menaka ary baoksita dia nanome 81% amin'ny fidiram-bolan'ny fanondranana rehetra tamin'ireo taona ireo. Ny volamena izao no manana anjara lehibe indrindra amin'ny fanondranana (hatramin'ny taona 2021)

Ny toekaren' i Sorinama dia mifototra amin' nyharena an-kibon' ny tany (baoksita,vy,varahina,volamena arynikela) ary koa amin' ny fitrandrahana hazo ao amin' ny ala midadasika.

Tetibolam-panjakana

[hanova |hanova ny fango]

Tamin’ny taona 2016, tafiditra ao anatin’ny tetibolam-panjakana ny fandaniana mitentina 664 tapitrisa dolara, raha oharina amin’ny vola miditra mitentina 470 tapitrisa dolara.

Izany dia miteraka tsy fahampian'ny tetibola 5,4% amin'ny harin-karena faobe.Ny trosa nasionaly dia 660 tapitrisa dolara tamin'ny taona 2005, na 37,0% amin'ny harin-karena faobe.

Ny anjaran'ny fandaniam-panjakana (2019, amin'ny %-n'ny harin-karena faobe):


Rafitra fitantanana

[hanova |hanova ny fango]

Mizara ho distrika folo i Soriname:

(amin'ny fitambarany: 541.638 mpoina; Census 2012)

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]
Search Wikimedia Commons I Wikimedia Commons dia manana aino aman-jery mikasika an'i :Suriname
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Sorinama&oldid=1090465"
Sokajy :

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp