Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Aller au contenu
Wikipedia
Tadiavo

Sola fide

Avy amin'i Wikipedia

Ny andian-teny latina hoeSola fide , izay midika ara-bakiteny hoe "amin'ny alalan'ny finoana irery", dia ainga fototra protestanta milaza fa ny asa tsara ataon'ny olona dia tsy mandray anjara amin'nyfanavotana azy. Ny teolojiana miteny malagasy dia mandika io andian-teny io hoe "Finoana irery ihany". Iray amin'ireo andian-teny latina dimy manomboka aminin'ny hoeSola ny Sola fide.

Izany finoana izany dia ny finoana ny fahafatesan'iJesosy Kristy mitondra fanavotana teo amin'nyhazofijaliana noho ny fahotan'ny olombelona izay miaiky azy ho mpamonjy. Mamerina ny fihavanan'ny olombelona amin'Andriamanitra ny finoana izay hany fomba ahafahana mahazo famonjena, amin'ny Kristiana izany dia midikafiainana mandrakizay aorian'ny fahafatesana.

Ny finoana dia fanomezan'Andriamanitra tamin'ny fihaonan'ny isam-batan'olona amin'Andriamanitra, amin'ny alalan'iJesoa Kristy. Ny finoana irery ihany fa tsy ny foto-pampianaram-pinoana (latina:doctrina) na ny asan'olombelona. Tsy mitovy ny fomba mahatonga io finoana io ao amin'ny olona tsirairay ka mety miseho tampoka izany na miandalana. Samy miaina izany finoana izany amin'ny fombany manokana ny olona tsirairay satria valin'ny fanehoan'Andriamanitra fitiavana ny finoana.

Ny foto-pampianarana ny amin'nyfamonjena amin'ny alalan'ny finoana (izay atao hoe koa "fanamarinana amin'ny alalan'ny finoana") dia nandray anjara betsaka tamin'ny fotoana nampisy nyReformasiona (na Fanavaozam-piangonana) protestanta; rehefa iMartin Lotera izay nisahirana tamin'ny famonjena ny tenany sady tsy afa-po tamin'ny valintenin'ny Fiangonana tamin'ny fotoanandrony, nahafantatra amin'izay fa ny lanjan'nySoratra Masina, raha namaky nyepistilin'ny Paoly ho an'ny Romana izy. Noho izany dia io foto-pampianarana io no vatofehizoron'ny Reformasiona protestanta. Io foto-pampianarana ny amin'ny famonjena amin'ny alalan'ny finoana irery ihany io no mampiavaka nyprotestantisma amin'ny fiangonana hafa, dia ireo izay manome lanja ny asa tsara na ny fombafombam-pivavahana hanatsarana ny olombelona mba hahafahany mandray anjara amin'ny famonjena ny tenany[1].

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]

Loharano

[hanova |hanova ny fango]
  1. Annick Sibué,Luther et la Réforme protestante, Paris, Eyrolles, 2011, pages 103-105.
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Sola_fide&oldid=971711"

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp