Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Slôvenia

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' i Slôvenia
Saritanin' i Slôvenia

ISlôvenia dia firenena aoEorôpa Afovoany. Ny renivohiny dia iLjubljana (vakio hoe: Liobliana). Ny tanàna lehibe indrindra dia ny renivohiny. Mirefy 20 273 km2 ny velaran-taniny ary miisa 2 055 496 ny mponina ao aminy araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2012. Ny faritr' ora dia +1.

I Slôvenia dia firenena kely ao amin’ nySaikanosy Balkana, eo anelanelan’ iItalia sy iAotrisy sy iHôngria ary iKrôasia. Manana morontsraka ao amin’ nyRanomasina Adriatika izy. Be tendrombohitra ity firenena ity: ao no ahitana ireo tendrombohitra Alpa Slôvena. Firenena be ala koa i Slôvenia ka mbola ahitanalinksa syorsa (na bera) arylopa.

Raha mbola tao amin’ nyRepoblika Entim-Bahoaka Federativan’ i Iogôslavia i Slôvenia dia izy no faritra nandroso indrindra niaraka amin’ i Krôasia. Izany firoboroboan’ ny toekarena izany dia nihamafy: ankehitriny dia izy no firenena manan-karena indrindra amin’ ireo firenena folo niditra ho mpikambana ao amin’ nyVondrona Eorôpeana tamin’ ny taona 2004.

Nakambana tao amin’ nyEmpira Rômana ny faritra misy an’ i Slôvenia izay nanaovan’ nyfokom-pirenena môngôly fananiham-bohitra, avy eo nidiran’ nySlôvena izayvahoaka slava. Nanomboka tamin’ ny taonjato faha-13 no nanjakazakan’ ny dinastian’ ny Habsborga tao. Natanjaka nyfanindrahindràn-tanindrazana tamin’ ny taonjato faha-19. Taorian’ ny faharavan’ nyEmpira Aostrô-Hongariana, taorian’ nyAdy Lehibe Voalohany, dia niorina ny fanjakà-mpanjaka niraisan’ nySerba sy nyKrôaty ary nySlôvena. NanjaryFanjakan' i Iogôslavia izany tamin’ ny taona 1929, talohan’ ny hanjavonany tamin’ nyAdy Lehibe Faharoa. Tamin’ ny taona 1945 dia nanjary iray amin’ ireorepoblika enina nandrafitra nyRepoblika Entim-Bahoaka Federativan’ i Iogôslavia i Slôvenia: fanjakana kômonista notarihin’ i Tito izany. Taorian’ ny fahafatesan’ i Tito tamin’ ny taona 1980 dia samy nitaky ny fahaleovan-tenany avy ireo repoblika ireo. Nitombo izany fitakiana izany tamin’ ny taona 1989 nandritra ny faharavan’ ny fitondrana kômonista maro taoEorôpa Afovoany. Tamin’ ny taona 1991 dia nanambara ny fahaleovan-tenany i Slôvenia, sahala amin’ i Krôasia koa, ary tsy ela dia nankatoavin’ nyfianakaviambe iraisam-pirenena izany. Marin-toerana ara-pôlitika amin’ izay ilay firenena sady niroborobo ny toekarenany izay nahafahany niditra ho mpikambana tao amin’ nyVondrona Eorôpeana tamin’ ny taona 2004.

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]

Firenena ao Eorôpa

Albania -Alemaina -Andôra -Aotrisy -Belzika -Bielôrosia -Bolgaria -Bôsnia-Herzegôvina -Danemarka -Espaina -Estônia -Fanjakana Mitambatra -Finlandy -Frantsa -Grisia (naGresy) -Hôngria (naHongaria) -Irlanda -Islandy -Italia -Jeôrjia -Kipra (naSipra) -Krôasia (na -Krôatia) -Letônia -Liktenstaina -Litoania -Loksemborga -Masedônia Avaratra (naMakedônia Avaratra)-Malta -Môldavia -Môntenegrô -Nederlandy -Nôrvezy -Okraina -Pôlônia -Pôrtogaly -Tsekia -Romania -Rosia -San-Marîno -Serbia -Slôvakia -Slôvenia -Soeda -Soisa -Tsekia -Vatikàna.

Kôntinenta eto an-tany

Mbolaambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'nyfanitarana azy.
Jereo koa ny pejyAhoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Slôvenia&oldid=1104529"
Sokajy :

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp