Nyskotisma dia hetsiky ny tanora maneran-tany naorin' iRobert Baden-Powell, jeneraly prôtestanta britanika misotro ronono, tamin' ny taona 1907 tao Brownsea. Amin' izao fotoana izao dia manana mpikambana maherin' ny 58 tapitrisa any amin' nyfirenena sy fizaran-tany 217, avy amin' nyfivavahana sy ny firenena rehetra, ny skotisma.
Hetsiky ny tanora mifototra amin’ ny fianarana nysoatoavina, toy ny firaisankina, ny fifanampiana ary ny fanajana, ny skotisma. Ny tanjony dia ny hanampy ny tanora hamolavola ny toetrany sy hanorina ny maha-izy azy ary handray anjara amin' ny fivoarany ara-batana sy ara-tsaina ary ara-panahy. Mba hahatratrarana io tanjona io, ny skotisma dia miankina amin' ny hetsika azo ampiharina eo amin' ny natiora, sy hetsika anatiny, natao bebe kokoa ho an' ny fianarana ara-tsaina. Mifototra amin' ny lalàna sy fampanantenana ny skotisma ary amin' ny ankapobeny dia manana lafiny ara-pivavahana na ara-panahy.
Ny mpikambana dia antsoina hoe "skoto" (araka ny teny anglisy iraisam-pirenena tany am-boalohany) na indraindray "mpanazava" (dikan-teny). Raha ny marina, ireo teny ireo dia manondro ny tovolahy 12 ka hatramin'ny 17 taona. Amin' ny heviny malalaka kokoa, ny mpanara-maso, ny mpitarika na ny mpikambana taloha dia skoto, na "mijanona ho skoto am-panahy". Ny skoto dia fantatry ny besinimaro amin' ny fitafiany. Ny "fanilo" dia skoto vehivavy katôlika. Ny hetsiky ny vehivavy hafa dia ny an' ny "mpanazava". Nanomboka tamin' ny taona 1950, ny hetsika skoto sasany dia nisafidy ny fifangaroana (na "fanabeazana miaraka") amin' ny vondrona, fa ny hafa kosa amin' izao fotoana izao dia mitazona vondron-dehilahy sy vondrom-behivavy tsy mifangaro.
Skoto sy mpisava lalana na mpitari-dalana avy amin' ny firenena samihafa tamin' nyMoot Scout Mondial tamin' ny 1996 nanao ny fiarahabana skoto.
Miparitaka maneran-tany io fikambanana io ankehitriny ary maro ny fikambanana mijoro eto Madagasikara mandala ny skotisma izay najoron' i BP. EtoMadagasikara dia misy fikambanana maromaro mifandray amin' ny Birao Merantanin' ny Skotisma (BMS).