Sainan' i SiliaToerana misy an' i Silia etop amin' izao tontolo izao
ISilia naSilỳ dia firenena aoAmerika Atsimo. Ny renivohiny dia iSantiago.Espaniola ny fiteny ôfisialy. Ny tanàna lehibe indrindra dia ny renivohiny. Mirefy 756 950 km2 ny velaran-taniny ary miia 17 574 003 ny mponiny araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2017. Ny faritr' ora dia −4 sy −6.
Lava be ny tanim-piren' i Sily: mirefy 4 300 km any ho any avy any avaratra ka hatrany atsimo, manaraka nyRanomasimbe Pasifika, nefa 200 km eo ho eo ny sakany.
Firenena be tendrombohitra i Sily: nytandavan-tendrombohitra Andes izay lava dia lava no mibahan-toerana ao aminy. Mamakivaky ilay firenena manontolo, ity tandavan-tendrombohitra ity, manomboka any amin' ny Lembalemba Bôliviana any avaratra ka hatrany Tierra del Fuego (naTerre de Feu) any atsimo. Ny tapany avaratr' ilay firenena dia misy lembalemba midadasika ahitana tendrombohitra maro mihoatra ny 6 100 m (i Ojos del Salado no tendro avo indrindra ao amin' ilay firenena, izay manana hahavo 6 880 m). Ity faritry ny lebalemba ity dia anjakan' ny Taniefitr' i Atacama. Ao afovoany ny Lohasaha Afovoany izay misy ny faritra fambolena any Sily. Mifanila amin' ny nosy maromaro ny morontsiraka.
Sarin-tanin' i Sily
Misy karazana toetany telo ilay firenena: toetany maina any avaratra (ao amin' ny Taniefitr' i Atacama), sy toetany mediteraneana ao afovoany, ary toetany antonony an-dranomasimbe any atsimo. Amin' ny ankapobeny dia antonony ny maripana noho ny fisian' ny ny ranomasimbe.
Maherin' ny 90 %-n' ny mponin' i Sily nosafiotra (taranaky ny voanjo espaniôla sy nyAmerindiana). Katôlika ny ankamaroan' ny mponina. Anisan' ireo firenena be mponina indrindra anyAmerika Latina i Sily: ny 90 % amin' ny mponina dia monina any amin' ny faritra afovoany izay misy an' i Santiago renivohitra.
Mifototra indrindra amin' ny fitrandrahana sy fanondranana varahina ny toekaren' i Sily. Mivangongo ao amin' ny Lohasaha Afovoany ny ankamaroan' ny asa momba ny fambolena. Mitana anjara toerana lehibe ny famokaranavoankazo: hita ao nyvoaloboka, ny karazana voatavo, nypaoma, nypaiso, nyabrikô, nypaisom-bazaha ary nyserizy. Mpamokatradivay lehibe koa ilay firenena. Miompyondry ny mponina any amin' ny tapany atsimon' ilay firenena.
I Sily koa dia ahitana indostria lehibe indrindra momba nyjono anyAmerika Atsimo. Manana fahafaha-mamokatra herinaratra be dia be ilay firenena, noho ny fisian' ny ony faingam-pandeha maro midina avy any amin' ny tandavan-tendrombohitra Andes sy ny tandavan-tendrombohitra amin' ny sisin-dranomasina.
Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'nyfanitarana azy. Jereo koa ny pejyAhoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.