Nysikisma diafivavahana amin'Andriamanitra tokana naorin' i Guru Nanak tao amin' ny tapany avaratr' iIndia tamin' ny taonjato faha-15.Mônôteista ny fivavahana sika. Mino Andriamanitra tokana Faratampony ny mpino ao aminy, ka izany Andriamanitra izany dia tsy manam-petra, mandrakizay,mpamorona, anton' ny anton-javatra rehetra, tsy manam-pahavalo, tsy misy fankahalana, izay sady ato amin' izao tontolo izao no ao ivelany sy mihoatra azy (mihoa-draha). Atao hoe Goró Faratampony izy.
Ny teny hoeਸਿੱਖ / sikkh diateny penjaby izay nisampana avy amin' nyteny sanskrita hoeशिष्यः / śiṣya (izay midika hoe "mpianatra"), na avy amin' ny teny sanskrita hoeशिक्ष / śikṣa (izay midika hoe "fianarana" na "fampianarana"). Midika hoe "fanahin' Andriamanitra" izay. Ny foto-pampianaran' ny sikisma dia miorina amin' ny fampianarana ara-panahin' ireo Guru Folo izay voangona ao amin' nySri Guru Granth Sahib.
Tsy manohitra nyfivavahana kristiana na nysilamo na ny fiavavahana hindo ny sikisma fa mihevitra azy ireo ho fomba samy ahafahana mivavaka amin' Andriamanitra.