ISiddhartha Gautama, izay fantatra amin' ny anarana hoeShakyamuni ("olon-kendrin' ny Śākya") na ilayBuddha ("Ilay Nifoha”), dia filôzôfyindiana sy mpitarika ara-panahy niaina tamin' ny taonjato fah-6 tal. J.K. na tamin' ny taonjato faha-5 tal. J.K., mpanorina ara-tantara ny vondronamoanina mpirenireny izay niteraka nybodisma.
Teraka tao Lumbinî, anyNepaly ankehitriny izy, teny amin' ny lalana mankany Kapilavastu, renivohitry nyfokom-pfianakaviany, any Terai Nepaley ankehitriny, terak' i Māyādevī sy i Śuddhodana, mpanjakan' ny Śākya izay anisan' ny sarangam-pokon' ny Kṣatriya mpiady, ary navitrika tany amin' ny Fanjakan' i Kosala sy tany amin' ny Fanjakan' i Magadha any amin' ny tapany avaratra-atsinanan' iIndia ankehitriny.
Teo amin' ny valopolo taona teo ho eo no niainany, saingy tsy mifanaraka momba ny daty tena niainany ny lovantsofina maro, izay ataon' ny fikarohana ankehitriny fa any aoriana kokoa: manodidina ny taona 623-543 tal. J.K. araka ny lovantsofnateravada, manodidina ny taona 563-483 tal. J.K. araka ny ankamaroan' ny manam-pahaizana tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-20, maro tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-21 no mihevitra nyparinirvāṇa (fahafatesan' ny Buddha) eo anelanelan' ny taona 420 sy 380 tal. J.K.
Ny firehan' ny bodisma rehetra dia mihevitra azy ho ny "buddha madio sy tonga lafatra" (samyaksambuddha) ankehitriny, izay tsy vitan' ny hoe nahatratra ny fifohazana, fa afaka "mampihetsika ny kodiaran' ny Lalàna" sy mampiely ny fampianarana amin' izao tontolo izao. Nampitaina am-bava nandritra ny taonjato telo ka hatramin' ny efatra ny fampianarany, alohan' ny nanoratana azy ao amin' nyTripitaka (Kanônapaly).
Ny anaram-boninahitry hoeBuddha (amin' nyteny sanskrita:buddha, "mifoha", "mahatsiaro", avy amin' ny fototeny sanskrita hoebudh- , "mifoha") dia nomen' ny mpianany azy taty aoriana. Noho izany dia asianasora-baventy amin' ny fanoratana nifanarahana, ity anaram-boninahitra ity dia manondro an' i Shakyamuni mba hanavahana azy amin' ny olona hafa antsoina hoebuddha noho ny nihoarany fifanoheran-droasamsara/nirvāna araka nybodisma mahaiana. Fantatra ihany koa hotathāgata izy, izany hoe "ilay Tonga toy izany/ilay Tonga/ nandeha toy izany hitory ny Lalàna tsara” (Dharma).
Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'nyfanitarana azy. Jereo koa ny pejyAhoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.