"Fitambaran'ny fahaizana amam-pahalalan'ny olombelona momba ny toetran' ny zavaboary, ny hery ao aminy, sns... azo tamin' ny fandinihana ny toetrany sy ny fomba amam-pitsipika mifehy azy sy ny fanandramana"[1].
Ny siansa môderina dia matetika mizara ho sampana telo lehibe: nysiansan'ny zavaboary (oh: nyfizika sy nysimia ary nybiôlôjia), izay mandalina ny tontolo fizika; nysiansa sôsialy (ohatra, nytoekarena sy nypsikôlôjia ary nysôsiôlôjia), izay mandalina nyolona sy nyfiarahamonina; ary nysiansa arak' endrika (ohatra: nylôjika sy nymatematika ary ny siansa infôrmatika teôrika), izay mandalina ny rafitra araka endrika, fehezin' nymatoan-kevitra sy fitsipika. Misy ny tsy fitovian-kevitra amin' ny hamantarana raha taranja siantifika marina ny siansa arak' endrika, satria tsy miankina amin' ny porofo mivaingana. Nysiansa ampiharina dia taranja mampiasa fahalalanasiantifika ho amin' ny fampiharana, toy ny injenieria sy ny fitsaboana.
Ny tantaran'ny siansa dia mahafaoka ny ankamaroan'ny tahirin-kevitra ara-tantara, miaraka amin'ny firaketana an-tsoratra voalohany fantatra mialoha. Ny siansa môderina dia nanomboka tamin'nyAndron'ny Alimo tanyEjipta syMesôpôtamia tamin' ny taona 3000 ka hatramin' ny 1200 tal JK. Ny fandraisan' izy ireo anjara amin' nymatematika, nyastrônômia ary nyfitsaboana dia nampiditra sy namolavola nyfilôzôfian' ny zavaboary grika tamin' nyAndro Taloha klasika, izay nanandrana nanazava momba ny zava-mitranga eo amin' ny tontolo fizika mifototra amin' ny anton-javatra voajanahary, ary ny fandrosoana bebe kokoa, anisan' izany ny fampidirana nyfanisana hindo-arabo, dia natao nandritra nyAndro Volamenan' i India. Niharatsy ny fikarohana siantifika tany amin’ ireo faritra ireo taorian’ ny nianjeran’ nyEmpira Rômana Andrefana tamin’ nyAndro Antenatenany (taona 400 ka hatramin’ ny 1000 taor JK). Na izany aza, tamin'nyRenaissance tamin'ny Andro Antenatenany (Renaissance Karôlinjiana, Renaissance Ôtôniana ary ny Renaissance tamin' ny taonjato faha-12) dia niroborobo indray ny fandalinanam-pahaizana. Ny sora-tanana grika sasany very tanyEorôpa Andrefana dia voatahiry sy nisy nanohy tanyAtsinanana Afovoany nandritra nyAndro Volamena Silamo, niaraka amin' ny ezaka taty aoriana nataon' ny manam-pahaizana grika bizantina izay nitondra sora-tanana grika avy amin' nyEmpira Bizantina izay efa akaky ho rava nankany Eorôpa Andrefana tamin' ny fiandohan' ny Renaissance.
Ny fahitana indray sy ny fadraisana ny asasoratra grika sy ny fikarohana silamo tany Eorôpa Andrefana tamin' ny taonjato faha-10 ka hatramin' ny faha-13 dia namelona indray ny "filôzôfian' ny zavaboahary", izay novan' nyRevôlisiôna Siantifika nanomboka tamin' ny taonjato faha-16 raha niala tamin' ny fiheverana grika teo aloha sy nentim-paharazana ny hevitra sy ny fikarohana vaovao. Vetivety dia nitana anjara toerana lehibe kokoa tamin' ny famoronana fahalalana ny fomba fiasa siantifika ary tamin’ ny taonjato faha-19 vao nipoitra ny maro amin’ ny toetra maha raharaham-pikambanana sy matihanina ny siansa, niaraka amin’ ny fiovana avy amin' ny "filôzôfian' ny zavaboary" ho amin' nysiansan' ny zavaboary.
Ny fahalalana vaovao tao amin' ny siansa dia nandroso noho ny fikarohana avy amin' ny mpahay siantsa izay noentanin' ny fahalianana momba an' izao tontolo izao sy ny faniriana hamaha olana. Ny fikarohana siantifika amin' izao fotoana izao dia tena iaraha-miasa ary matetika ataon' ny ekipa ao amin' ny toeram-pandalinana sy fikarohana akademika, sampan-draharaham-panjakana ary kômpania. Ny fiantraikany azo ampiharina avy amin' ny asan' izy ireo dia nahatonga ny fisandratan' ny pôlitikan' ny siantsa izay mikatsaka ny hampisy fiantraikany amin' ny fisahanana asa siantifika amin' ny fanaovana ho laharam-pahamehana ny fampandrosoana ara-etika sy ara-môraly ny vokatra ara-barotra, ny fitaovam-piadiana, ny fikarakarana ara-pahasalamana, nyfotodrafitrasa ho an' ny daholobe ary ny fiarovana nytontolo iainana.