Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Aller au contenu
Wikipedia
Tadiavo

Senegaly

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' i Senegaly
Toerana misy an' i Senegaly eto amin' izao tontlo izao
Sarin-tanin' i Senegaly

ISenegaly dia firenena aoAfrika Andrefana, manana morontsiraka ao amin' nyRanomasimbe Atlantika, manana velarana mirefy 196 722 km². IDakar no renivohiny. Manodidina tanteraka an' iGambia i Senegaly. Iva ny tanin' i Senegaly, izay vakivakin' ny onySénégal (mirefy 1 600 km, manasaraka azy amin' iMaoritania ao avaratra) sy ny onyGambia (ao atsimo).

Ny tapany avaratr' i Senegaly dia ao amin' ny faritr' iSahel, izay rakotrahivoka anirian-kazo madinika, ny tapany atsimo kosa dia rakotra alan-jana-pehin-tany mikitroka sy mando. Mananatoetanin-jana-pehin-tany i Senegaly. Atao horeSenegaley ny vahoakan' io firenena io.

Ahitana vondrom-poko maro ny vahoaka senegaley, ka ny lehibe aminy dia nyVôlôfo, nyFolany ary nyMalinke. Nyfivavahana silamo no fivavahan' ny vahoaka maro anisa any.

Miopana amin' nyfambolena sy nyfiompiana ny toekaren' i Senegaly, indrindra ny fambolenavoanjo. Anisan' ny asa fiveloman' ny maro any koa nyjono. Monina a-morontsiraka ny ankamaroan' ny mponina, indrindra any amin' ny faritra afovoany misy fambolena voanjo. Anisan' ny olana eo amin' ny fambolena nyhaintany. Mampandroso ny fambolenavoatabia syvary aryfary koa ny any Senegaly. Mandroso koa ny sehatry nyfizahàn-tany.

Zanatany frantsay taloha i Senegaly izay nahazo ny fahaleova-tenany tamin' ny taona 1960. Nyfiteny frantsay, nyfiteny oôlôfo, nyfiteny serere, nyfiteny mande ary nyfiteny folany nofiteny ôfisialin' i Senegaly.

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]

Firenena ao Afrika:

Afrika Atsimo -Alzeria -Angôla -Benino -Borkina Fasô -Borondy -Bôtsoana -Ejipta -Eritrea -Esoatiny (Soazilandy taloha) -Etiôpia -Gabôna -Gambia -Ganà -Ginea -Ginea Bisao -Ginea Ekoatôrialy -Jibotỳ -Kamerona -Kapvera -Kenia -Kômôro -Kôtidivoara -Lezôtô -Liberia -Libia -Madagasikara -Malaoy -Malỳ -Maorisy -Maoritania -Marôka -Môzambika -Namibia -Nizera -Nizerià -Oganda -Repoblika Arabo Saharaoy Demôkratika -Repoblika Demôkratikan' i Kôngô -Repoblikan' i Afrika Afovoany -Repoblikan' i Kôngô -Roanda -Saô Tôme e Prinsipe -Seisely -Senegaly -Siera Leôna -Sodàna -Sodàna Atsimo -Sômalia -Sômalilandy -Tanzania -Tôgô -Tonizia -Tsady -Zambia -Zimbaboe


Kôntinenta eto an-tany

Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Senegaly&oldid=1092264"
Sokajy :

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp