Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Aller au contenu
Wikipedia
Tadiavo

Sela

Avy amin'i Wikipedia
Selan-javamaniry

Nysela no singa biôlôjika fototra ara-drafitra sy miasa amin' nyzavamananaina. Izy io no singa velona kely indrindra, afaka mitombo isa amin' ny fomba mahaleo tena.

Voaforon' ny sela iray ihany ny zavamananaina maro: ireo dia zavamananaina tokan-tsela, toy nybakteria sy nyarkea ary ny ankamaroan' nyprôtista. Voaforon-tsela maro ny hafa: ireo dia zavamananaina maro sela, toy nyzavamaniry sy nybiby. Misy sela maro, izay miovaova isa arakaraka ny karazan-javamananaina, ireto farany ireto; ny vatan' olombelona, ohatra, dia manana sela manodidina ny iray hetsy lavitrisa (1014), sady onenana bakteria miisa avo iray ka hatramin' ny folo heny, izay anisan' ny mamorona nymikrôbiôta ao aminy ary kely lavitra noho ny selan' olombelona. Tsy hita afa-tsy amin' ny mikrôskôpy ny ankamaroan' ny selan' ny zavamaniry sy ny an' ny biby, satria manana savaivo eo anelanelan' ny 10 sy 100 µm.

Avy amin' ny sela hafa efa nisy teo aloha foana ny sela, ary mirakitra ny fampahalalana momba nyfototarazo ilaina amin' ny fiasany sy amin' ny fampitana ny lova ho an' ny sela ao amin' ny taranaka manaraka.

Niseho teto an-tany, fara fahakeliny, 3,7 lavitrisa taona lasa izay, ary angamba efa tany amin' ny 4 lavitrisa taona lasa, ny sela voalohany.

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]
Mbolaambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'nyfanitarana azy.
Jereo koa ny pejyAhoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Sela&oldid=1093044"
Sokajy :

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp