NySefarada naJiosy sefarada dia iray amin' ny fizarana lehiben' ny vahoakajiosy araka ny toerana niaviany ka manondro ny Jiosy tamin' nyAndro Antenatenany nonina tao amin' nySaikanosy Iberika (indrindra iEspaina) sy taoAfrika Avaratra ary manondro koa ny taranak' izy ireo, izany hoe ny fitambaran' ny vahoaka jiosy tsyAskenazy.
Ny Jiosy tao amin' ny faritra be Kristiana tao amin' ny Saikanosy Iberika dia voenjika mafy, tsy nitovy amin' ny Jiosy tamin' ny faritra beMozilmana, ka nitsoaka avy ao tamin' ny taona 1492 taorian' ny nahazoan' ny Kristiana ny faritra sisa farany nisy Mozilmana sy tamin' ny fanambarana an' i Espaina. Nitsoaka nankany Afrika Avaratra sy tany amin' ireo fari-tany any atsinanana amin' nyEmpira Ôtômàna izy ireo, avy eo nanorina vondrona maro tanyFrantsa, tanyHôlanda, tanyAngletera, tanyItalia, tany ami' nyBalkàna, sns.
Manana ny fiteniny manokana ny Sefarada, dia ny fiteny jodeô-kastilàna, atao hoefiteny ladinô. Manaraka ny fomban' ny Jiosy babilôniana izy ireo, fa tsy tahaka ny Askenazy izay mifikitra amin' ny fomban' ny Jiosy palestiniana.
Anondroana ny Jiosy avy anyAfrika Avaratra sy avy anyAtsinanana Akaiky mitenyarabo sypersàna sady tsy manana fifandraisana ara-pirazanana amin' ny faritra eorôpeana koa ny teny hoeSefarada. Ny ankamaroan' izy ireo dia nanaraka ny fomba jiosy babilôniana noho ny fifampikasohany amin' ny Sefarada, ka izany no antony anondroana azy ireo amin' ny anarana hoeSefarada koa.