Ao amin' nyKor'any dia tsy anjely fajiny i Satana (arabo: شيطان/Sheitan naShaitan). Atao hoeIblisy (arabo: إبليس /Iblis) koa ny anarany. Araka ny Kor'any, taorian' ny namoronan'Andriamanitra an' iAdama dia tsy nety niankohoka teo anatrehan' i Adama i Satana raha nandidy azy hanao izany Andriamanitra (Kor'any 2.34). Voaroaka avy tao an-danitra noho izany izy ka niteny tamin' Andriamanitra fa hampiala ny olombelona amin' ny finoana an' Andriamanitra.
Misy anarana arabo amin' nyendrika milaza maro amin' ny anarana hoeShaytan dia ny hoe الشياطين /Shayṭîn izay manondro karazana zavamananaina mpaka fanahy, dia ny demony sy ny olona sasany ampiasain' ny demony (Kor'any 6.112) ka eo ambany fahefan' i Iblisy.