Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Aller au contenu
Wikipedia
Tadiavo

Sarivongana

Avy amin'i Wikipedia
NyStatue of Unity (2018), sarivongana avo indrindra eran-tany, anyGujarat (India).

Nysarivongana diazavakanto maneho sary azon' ny maso jerena sy azon' ny tanana tsapaina, amin' ny habe telo, sokirina na volavolaina, mijoro, izay mety maneho sarin' olona na biby na hafa, atao amin' ny zavatra mafy sy maharitra toy nyvato, nyhazo, nysokay, nytany, nymetaly, nyplastika, sns. Ny sarivongana mahazatra dia mitovy habe amin' ny tena izy na manakaiky ny habe tena izy; nefa misy ny sary sokitra maneho olona na biby amin' ny endriny feno nefa kely azo bataina sy entina, sy ny manana habe mihoatra ny tena izy.

Vokarina ao amin' ny faritra maro izay samy manana ny kolontsaina ny sarivongana manomboka tamin' ny vanimpotoana talohan' ny tantara ka hatramin' izao; ny sarivongana tranainy indrindra fantatra dia efa ho 30 000 taona lasa izay. Ny sarivongana dia maneho olona sy biby maro samihafa, tena izy na araka nyfedrà. Sarivongana maro no apetraka eny amin' ny toerana ho an' ny daholobe amin' ny maha zavakanto ho an' ny daholobe azy. Ny sarivongana avo indrindra eran-tany, nyStatue of Unity, dia 182 metatra ny haavony ary eo akaikin' ny tohodranon' i Narmada anyGujarat,India.

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]
  • Sary hosodoko
  • Sarisokitra
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Sarivongana&oldid=1066102"

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp