Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Aller au contenu
Wikipedia
Tadiavo

Saktisma

Avy amin'i Wikipedia
I Durgâ sy i Kâlî ary i Lakshmi.

Nysaktisma dia firehana ao amin' nyhindoisma izay mihevitra nyShakti ("angovo" "herin' andriamanitra") ho nyBrahman, izay miseho amin' ny alalan' ny Andriamanibavy Kâli,Durgâ, Sarasvatî, Lakshmi, Bhâvanî na Lajja Gauri. Iray amin' ireo firehana lehibe ao amin' ny hindoisma ny saktisma, manampy nyvisnoisma sy nysivaisma ary nysmartisma.

Sary mivohitra maneho an' ireo andriamanibavy Vaishnavi, Varahi, Indrani ary Chamunda.

Amin' ireo mpomba ny saktisma (atao hoe Sakta) dia lehibe noho iShiva vadiny ny Andriamanibavy, dia i Shiva izay tsy afaka misy raha tsy eo ny foto-javatra vavy ao anatiny: io ilay angovo vavy izay miteraka tsy manan-pahasasarana ny Natiora (Prakriti) sy mamahana ny zava-manana aina rehetra (amin' ny maha Renin' ny zava-drehetra azy -Mâtâ).

Manam-pifandraisana hentitra amin' nytantrisma ny saktisma. Ny fombafombam-pivavahana sakta dia ahitana fanao momba ny firaisana ara-nofo masina: ny firaisan' i Shiva amin' ny Shakti dia aseho amin' ny alalan' ny firaisana ara-nofo tanterahina araka ny fitsipika ara-panompoam-pivavahana mazava tsara, ny firaisana ara-nofo dia heverina ho fitsaohana ny Shakti.

Araka ny tombana nataon' i Johnson sy Grim tamin' ny taona 2010 dia ny saktisma no sampana kely ao amin' ny hindoisma, izay ahitana mpino miisa 30 tapitrisa any ho any, izany hoe ny 3,2 % amin' ny Hindo rehetra[1].

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova |hanova ny fango]
  1. Johnson, Todd M; Grim, Brian J (2013).The World's Religions in Figures: An Introduction to International Religious Demography. John Wiley & Sons. p. 400. ISBN 978-1-118-32303-8.
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Saktisma&oldid=1068492"

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp