Nysaka napiso diabiby mampinono ao amin'ny fianakavianaFelidae. Anisan'nybiby mipetraka na ompiana ao an-trano izy ary misy karazany dimampolo no fantatry ny sehatra fanaovana fanamarinana. Ny anarany ara-tsiansa diaFelis silvestris catus. Nyvoalavo sybiby mikiky madinika hafa no sakafony. Afaka mamoaka feo karazany maromaro ny saka, na dia mifandray amin' ny alalan' ny endri-tarehy sy nyferômôna aza izy. Araka ny valin' ny fikarohana natao tamin' ny 2006 sy 2007 dia zana-karazanaFelis silvestris ny saka mipetraka an-tranon' olona ankehitriny, ary nivoatra izy 130000 taona aty aoriana. Efa 8000 - 10000 taona lasa izany ny saka no nataon' ny olona fiompy.
Tahaka nybiby mpihinan-kena, manana vazamasay farany sy ny vazana ny saka mba handrovitra sy hanongotra ny nofo. Nyhozatra matanjaka mifototra eo amin' ny karan-dohany no ahafahany mitelina nysakafo avy hatrany. Miampy an 'izany koa ny tonon-taolana mafy tsy afahany mitsako mivilana (tsy malefaka ny valanoranony). Taolana daholo ny taolana hiôida, tsy afahan' ny saka manerona ilay taolana hiôida.