Nyrotila dia karazanamineraly misy diôksidan-na titanina, izay manana raikipohyTiO2; mena na mainty ny lokony, ny fanjelany dia toy ny an' nydiamondra. Ny rotila dia mivaingana ao amin' ny rafitra efajoro ka lasakristalyiraizotongotra matroka na tantera-pahazavana, ary mahalana kokoa amin' ny vangongo mihizina sy mivongana. Matetika io mineraly io no misyvy (izay 10 % amin' ny hadiry manontolo),tantala,niôbiôma,krôma,vanadiôma aryfiramainty. Ny rotila dia mamela loko volontany hatsatra. Miovaova ny hamafiny izay eo anelanelan' ny 6 sy 6,5 ary ny hakitroky anelanelan' ny 4,18 sy 4,25. Io no endrika marin-toerana indrindra amin' ny diôksida-na titanina ary miforona amin' nyhafanana ambony, miaraka amin' nybrokita miforona amin' ny hafanana ambany ary nyanatanazy miforona amin' ny hafanana ambany kokoa.
Faritra mamokatra rotila tamin' ny taona 2005.
Ny rotila dia trandrahana hahazoanatitanina ary ny santionany miloko antitra dia mitapatapaka manjelatra. Izy dia mineraly fanampiny amin' ny vatolampy maro toy nygranita, nydôlômita, nyvatosokay vokatry ny fiovana, nymikasista, ary matetika izy dia miseho amin' ny endrika kristaly manify ao anatyvatokaranana.