Karazana tokantandroka amin' ny vondron,-karazana samihafa; avy any ambony ankavia, manaraka ny famantaranandro: rinôserôsy fotsy (Ceratotherium simum), rinôserôsy somatran (Dicerorhinus sumatrensis), rinôserôsy indiana (Rhinoceros unicornis), rinôserôsy mainty (Diceros bicornis)
NyRhinocerotidae dia fianakaviam-biby manana kitron-tongotratsiankasa, matevin-koditra, izay mbola misy karazany dimy mbola velona sy karazana efa lany tamingana maro. Ny roa amin' ny karazany mbola misy dia aoAfrika, ary telo anyAziaAtsimo syAtsimo Atsinanana.
NyRhinocerotidae dia anisan' ny biby ngeza indrindra sisa tavela: mihoatra ny antsasaky ny taonina ny lanjany rehefa lehibe. Mihinanazavamaniry izy ireo, ary mananaatidoha kely 400–600 g raha ampitahaina amin' nybiby mampinono mitovy habe aminy, mananatandroka iray na roa, ary matevin-koditra 1,5–5 sm, hoditra miaro miforona avy amin' ny sosona kôlazenina.
Amin' ny ankapobeny dia mihinana ravinkazo izy ireo, na dia ahafahany mivelona amin' ny zavamaniry misytsiraka kokoa aza ny fahafahany mampiotrika sakafo amin' ny tsinany, raha ilaina izany. Tsy sahala amin' nyPerissodactyla hafa, ny karazana rinôserôsy afrikana roa dia tsy manana nify eo faitra anoloana amin' ny vavany; miantehitra amin' ny molony ihany izy amin' ny fakany ny hanina hohaniny.
Tandindomin-doza avokoa ny karazana rehetra ao aminy ankehitriny.
Misy ny tetikasa fiarovana sy ny fampidirana indray ny rinôserôsy amin' ny toerana ahafahana manao izany. Tena ilaina amin' ny fandonahana ny nofon-tany izy ireo. Mety mirefy 4 m ny halavany, 1,50 hatramin' ny 2 m ny haavony, ary mahatratra 3 taonina eo ho eo ny lanjany. Izy ireo nobiby mampinono lehibe indrindra eto an-tany ankehitriny aorian' nyelefanta. Avy amin' ny teny grika hoerhinos ("orona") sy keras ("tandroka") ny teny hoe "rinôserôsy", satria misy tandroka iray na roa eo amin' ny orony, fa tsy eo amin' ny handriny, tsy toy ny biby mampinono manan-tandroka hafa.
Mitovy filaharana amin' nysoavaly sy tapira ny rinôserôsy (Perissodactyla) fa tsy amin' nyelefanta. Karazana dimy amin' izao fotoana izao no fantatra, izay anisan' ny vondron-karazana na sokajy efatra:
Nyrinôserôsy indiana (Rhinoceros unicornis) dia manana tandroka tokana 20 hatramin' ny 60 sm ny halavany. Saika mitovy amin’ ny rinôserôsy fotsy afrikana izy io. Ny hodiny matevina sy volontakatra manopy volafotsy dia miforitra eo amin’ ny sorony sy ny lamosiny ary ny vodiny, ka manome endrika ampinga.
Nyrinôserôsy javaney (Rhinoceros sondaicus) dia iray amin' ny biby mampinono lehibe atahorana ho lany tamingana indrindra eran-tany. Araka ny vinavina tamin' ny taona 2015, dia eo amin' ny 60 eo ho eo sisa no tavela, any Java, Indônezia, any anaty ala avokoa. Manana tandroka tokana izy. Ny rinôserôsy javaney fantatra farany tany Vietnamy dia voalaza fa novonoin' n' ny mpihaza vietnamiana noho ny tandrony tamin' ny 2011. I Java ihany no misy ny rinôserôsy javaney farany.
Nyrinôserôsy somatrana (Dicerorhinus sumatrensis) no karazana rinôserôsy kely indrindra, sy manana volo be indrindra. Hita any amin' ny toerana avo be any Borneo sy Sumatra izy io. Noho ny fahaverezan' ny toeram-ponenany sy ny fihazana, dia nihena ny isan' izy ireo, ary lasa rinôserôsy faharoa atahorana ho lany tamingana indrindra izy ireo.
Misy karazany telo ny rinôserôsy somatrana: ny rinôserôsy somatrana (Dicerorhinus sumatrensis sumatrensis), ny rinôserôsy bôrneana (Dicerorhinus sumatrensis harrissoni) ary ny rinôserôsy somatrana tavaratra (Dicerorhinus sumatrensis lasiotis) izay mety ho lany tamingana.